Actualités

504 bâché nofaohin’ny kamiao nitondra omby Maty ny mpamily, omby telo dangy


  • Zoma 02 Mey 2014

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny Manandona By-Pass, atsimon’ny sampanana mankany Ambohijanaka, omaly tamin’ny fiandohan’ny tolakandro.

 Kamiao iray nitondra omby avy any atsimo hihazo ny renivohitra no nifatratra tamina fiara 504 bâché. Nifanao aloha sy aoriana ireto fiara ireto. Iny ndeha hisongona iny ilay kamiao no nanapaka hamonjy amin’ny ankavian-dalana ihany koa ilay fiara 504 bâché, nefa tsy nisy jiro famantarana na “clignotant”. Tsy azo nialana ny fifandonana ka teo amin’ny valahany, avy aty amin’ny faritra misy ny mpamily, mihitsy no notevehin’ilay fiarabe feno omby. Mafy ny fifandonana satria dia niforitra mihitsy ilay 504 bâché ary lasa tany an-tsisin-dalana.

Efa-dahy no tao anatiny, telo tao aloha ary ny iray tao aoriana. Naratra mafy ny mpamilin’ilay 504 bâché sady tompony rahateo. Nezahina nentina tany amin’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy. Naratra mafy koa ireo roa lahy teo anoloana fa tsy misy ahiana ny ain’izy ireo. Rehefa nahita ny fisosososon’ilay fiarabe hifatratra tamin’ilay 504 bâchée kosa ny mpandeha iray tao aoriana dia nitsambikina nanavotr’aina saingy naratra ihany koa. Fiara namidy ity 504 bâché ity ary vao lafo, ka haterina any Bevalala amin’ny mpividy azy no izao niharan-doza izao. Mbola afaka nanohy ny diany kosa ilay kamiao taorian’ny fanamarinana ny loza, saingy fantatra fa nisy telo maty ny omby tao anatiny, mety potsitra rehefa nironjona tampoka vokatry ny dona ilay fiara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT