Miteraka ahiahy ny momba ny fahefan’ny fitsarana Malagasy hoe afaka hanoatra eo amin’ny raharaham-pitsarana momba ireo teratany Frantsay ve manoloana ny famatsiana volabe hatrany amin’ny 5 tapitrisa Euros (19 miliara ariary eo) tsy haverina avy amin’ny AFD (Alliance Française de Développement) ?
Afaka ny hikitika firy ireo Frantsay na mizaka zom-pirenena Frantsay manana raharaham-pitsarana ve ny fitsarana Malagasy eo anatrehan’ny hoe : ny Frantsay no mamatsy volabe tsy haverina ? Anisan’ny nafana teto, ohatra, ny raharaha Houcine Arfa izay tsy misy tohiny intsony. Tsy tokony hisy fiantraikany amin’ny raharaham-pitsarana mikasika teratany Frantsay izany, raha ny fahitako azy satria na dia hoe nanome vola izy, dia ny fitsarana no tokony hitandro foana io fahaleovantenany io, hoy ny mpitsara Imbiky Herilaza tompon’andraikitra eo anivon’ny sekoly ENMG raha nanontaniana ny heviny. Hatramin’izay ka hatramin’izao, dia ny mpamatsy vola mahazatra sy mpiara-miombon’antoka ara-teknika amin’ny minisiteran’ny fitsarana, dia na ny Vondrona Eoropeana na ny Frantsay amin’ny alalan’ny AFD ary efa nisy io zavatra io, hoy izy. Miverina tsikelikely fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ny fahitana azy, hoy izy, satria tsy hanome ireny fanampiana ireny ny vahiny, raha tsy misy ny fahatokisana. Hitany hoe misy ny faharisihana sy finiavana eo amin’ny minisiteran’ny fitsarana momba ny ady amin’ny kolikoly, ary vao tsy ela akory izay ny fanovana ka nanoloana tompon’andraikitra ambony maromaro, ka nanovana ny tale jeneralin’ny ENMG.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.