Actualités

5 tapitrisa Euros nomen’ny Frantsay ny fitsarana Fiaraha-miasa madiodio fa tsy don-tandroka


  • Zoma 06 Jolay 2018

Miteraka ahiahy ny momba ny fahefan’ny fitsarana Malagasy hoe afaka hanoatra eo amin’ny raharaham-pitsarana momba ireo teratany Frantsay ve manoloana ny famatsiana volabe hatrany amin’ny 5 tapitrisa Euros (19 miliara ariary eo) tsy haverina avy amin’ny AFD (Alliance Française de Développement).

 

Afaka ny hikitika firy ireo Frantsay na mizaka zom-pirenena Frantsay manana raharaham-pitsarana ve ny fitsarana Malagasy eo anatrehan’ny hoe : ny Frantsay no mamatsy volabe tsy toko tsy forohana tsy haverina ? Isan’ny raharaha mafana teto, ohatra, ny raharaha Houcine Arfa izay tsy misy tohiny intsony. Tsy tokony hisy fiantraikany amin’ny raharaham-pitsarana mikasika teratany Frantsay izany, raha ny fahitako azy satria na dia hoe nanome vola izy, dia ny fitsarana no tokony hitandro foana io fahaleovan-tenany io, hoy kosa ny mpitsara Imbiky Herilaza tompon’andraikitra eo anivon’ny Sekoly ENMG raha nanontaniana ny heviny. Hatramin’izay ka hatramin’izao, dia ny mpamatsy vola mahazatra sy mpiara-miombon’antoka ara-teknika amin’ny Minisiteran’ny fitsarana, dia na ny Vondrona Eoropeana na ny Frantsay amin’ny alalan’ny AFD ary efa nisy io zavatra io, hoy izy. Miverina tsikelikely fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ny fahitana azy, hoy izy, satria tsy hanome ireny fanampiana ireny ny vahiny, raha tsy misy ny fahatokisana. Hitany hoe misy ny faharisihana sy finiavana eo amin’ny minisiteran’ny fitsarana momba ny ady amin’ny kolikoly, ary vao tsy ela akory izay ny fanovana ka nanoloana tomponandraikitra ambony maromaro, ka isan’izany ny nanovana ny Tale Jeneralin’ny ENMG.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT