Laharana faha-118 amin’ny firenena 175 no misy an’i Madagasikara tamin’ny Mari-pandrefesana iraisam-pirenena momba ny kolikoly ho an’ny taona 2012. Naoty 32 amin’ny 100 no azon’ny firenena Malagasy io taona io izay nisian’ny rindran-damina vaovao mikasika ny fanomezana naoty. Tanjon’i Madagasikara ny hahatratra ny isa 7 amin’ny 10 amin’ny taona 2015, izay ezaka vitan’i Japon ny taona 2003. Laharana faha-14 amin’ny firenena afrikanina 52 no misy an’i Madagasikara ankehitriny. Ny fanadihadiana ny taona 2013 nataon’ny Transparency International moa dia nanambara fa tsy takona afenina intsony ny fanaovana kolikoly tao anatin’ny taona vitsivitsy, araka ny hevitry ny 75%-n’ireo olona nanontaniana. Tafakatra 40% ny kolikoly sokajiana goavana raha 33% izany ary niabo 44% ny kolikoly kely raha 41% teo aloha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.