Actualités

16 Martsa Fampisavorovoroana saim-bahoaka, hoy ny Ankolafy Telo


  • Alarobia 22 Desambra 2010


Ireo tranga niseho teny amin’ny fitsarana Anosy dia milaza fa mbola ao anaty jadona ny firenena, hoy ny solombavambahoakan’i Fandriana, Andriambelosoa Barijaona. Ankoatra izay dia nasian’ireo rehetra nandaha-teny teny amin’ny Magro Behoririka teny ihany koa ny momba ny fifidianana solombavambahoaka tadiavin’ny FAT hatao ny 16 martsa 2011. Nambaran’ny depiote Barijaona fa ho an’Amoron’i Mania dia olona 21 000 no tsy hita popoka tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka farany teo ary 40 000 kosa izany tany Vakinankaratra. Fifidianana solombavambahoaka no hatao, hoy izy kanefa na ny vahoaka na ny olona te hilatsaka aza tsy afaka miteny. Raha ny fahitan’ny Ankolafy Telo izany fifidianana amin’ny 16 martsa izany, araka ny fanazavan’i Marcel dia karazana don-tandroka, hanakorontanana saim-bahoaka, handravana ny tolona ihany. Nohamafisin’ny depiote Rodin Rakotomanjato fa tsy matahotra fifidianana izy ireo. Tsy mbola fotoana fametrahana olona izao, hoy izy fa ny famerenana an-tanindrazana ireo filoha roalahy aloha no laharam-pahamehana fa tsy ny ady seza. Momba ireo fivoriana etsy sy eroa indray, araka ny fanazavana, nisy efatra izany omaly, dia nifantoka indrindra amin’izay famerenana ireo filoha mirahalahy sy ny fomba hanesorana ny FAT, hoy ny depiote Leriva Manahirana, voafidy tao Brickaville. Mbola hanao tatitra mikasika izany moa ireo rehetra nandray anjara tamin’ireo fihaonana ireo, araka ny fanazavana. 

Nangonin’i Soa
   
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT