Actualités

11 Desambra Niampy andro iray indray ny andro tsy fiasana


  • Alatsinainy 13 Desambra 2010

Araka ny didim-panjakana laharana 2010/910, dia andro tsy fiasana manomboka izao nefa andraisan-karama ny andron’ny 11 desambra.

Ity andro ity mantsy no andro nahaterahan’ny Repoblika faha IV. Ankoatra ireo andro tsy fiasana izay efa mahazatra hatramin’izay ary, manomboka izao, dia miampy andro iray indray ireo andro tsy fiasana mandritra ny taona eto Madagasikara. Raha tsiahivina ny tantara, nanomboka tany amin’ny Repoblika voalohany, dia efa maro ireo andro nentina nanamarika ireo repoblika nifandimby. Samy namoana izany anefa ireo Filoha nitantana ny Repoblika, hany ka lasa voakosoka ny nahaterahan’ireo Repoblika nifandimby ireo, ary tsy maro, ankoatr’ireo nandia fianarana angamba no mahatadidy izany daty nifandimby nentina nanamarihana ireo repoblika ireo. Ny Filoha nitantana voalohany ny Repoblika faha-III ihany no tsy mba nisafidy daty hoentina nanamarihana ny fidirana tamin’izany Repoblika izany. Raha ampahatsiahivina ary ireo daty ireo, dia ny 14 oktobra no nanamarihana ny Repoblika voalohany, ny 30 desambra no daty nanamarika ny Repoblika faharoa, ary ny 11 desambra izao no manamarika ity Repoblika fahefatra ity. 

Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT