• Alarobia 21 Janoary 2015
Actualités.67 HA Ankizivavy marary saina 13 taona naolana rangahy 50 taona

Tovovavy kely vao 13 taona monja sembana ara-tsaina no naolana lehilahy iray mamolava mananika ny 50 taona, monina ao Antetezana Afovoany, afak'omaly alina, tetsy 67 ha Atsimo.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Janoary 2015
Actualités.Moramanga -Ambatondrazaka Hisokatra anio ny lalana tapaka ao amin’ny PK 61 + 300

Nanao rodobe nijery ny lalam-pirenena faha-44 omaly ny ministry ny asa vaventy Roland Ratsiraka sy ny mpanara-dia azy ary ny depiote Rahasimanana Auréline sy ny ekipany izay niantso iry voalohany mba hijery ifotony ny zava-misy noho ny fahasahiranam-bahoaka misy amin’iny lalam-pirenena iny

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Janoary 2015
Actualités.Ambohimanatrika Tanjombato Tonga nijery ireo traboina ny depiote sy ben’ny tanàna

Tonga nijery ireo traboina eny amin’ny fokontanin’Ambohimanatrika Tanjombato omaly ny depiote Raharimanarivo Voahangy voafidy teny amin’ny distrikan’Atsimondrano sy ny ben’ny tanànan’i Tanjombato Rakotondrabe Maurice ka sady nankahery azy ireo no nitondra ny tsirambin’ny tanana toy ny vary sy savony.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Janoary 2015
Actualités.Antoko HVM Mametraka ny rantsamangaikany any Tolagnaro.

Kaominina 22 amin’ny 27 ao amin'ny distrikan'i Taolagnaro no efa misy ny fototry ny Hvm. Tao anatin'ny roa herinandro teo no nidinan'ireo delege tarihin'ny filohany Rtoa Anick Miza Voahirana.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Janoary 2015
Actualités.Voka-dratsin’ny rivodoza Chezda Tafakatra 39 ny maty

Tafakatra 39 isa ireo olona namoy ny ainy hatramin’ny omaly vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Chezda manerana ny Nosy.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Janoary 2015
Actualités.Fianakaviamben’ny CNaPS Nanampy ireo traboina vokatry ny rivodoza

Nandray fanomezana avy amin’ny Fianakaviamben’ny CNaPS izay notarihin’ny tale jeneraly Arizaka Rabekoto Raoul Romain ny Praiminisitra Jeneraly Ravelonarivo Jean teto amin’ny lapan’i Mahazoarivo omaly talata 20 janoary 2015. Nanotrona azy tamin’izany ny Minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Solonandrasana Mahafaly Olivier, ny Sekretera mpanatanteraka ny BNGRC, ny Talen’ny kabinetra Charles Clément Rakotolahy.

Hamaky ny tohiny
FTT