• Alarobia 25 Martsa 2015
Actualités.Lehiben’ny faritra Betsiboka “Wanted” fa nanao kolikoly

Vola mitentina 25 tapitrisa ariary mahery no fantatra fa nalain’ny lehiben’ny Faritra Betsiboka tamin’ny olona iray izay manana olana eny amin’ny fitsarana. Nampantenain’ity lehiben’ny faritra ity fa hivoaka ny havany raha manome io vola izay halainy io ireo olona manana olana.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 25 Martsa 2015
Actualités.Mpitandro ny filaminana Antsirabe II Nahazo fitaovana

Notoloran’ny solombavambahoakan’Antsirabe faharoa, Rtoa Ravelohanitra Nirina fitaovana toy ny solosaina niisa 03 niaraka amin’ny “Imprimante” niisa roa ary fitaovam-pifandraisana “Walkie-Talkie” roa ny mpitandro ny filaminana tao Antsirabe ho an’ny Polisy sy ny Zandary. Ankoatra ireo dia notolorany vary 20 kitapo ihany koa ireto mpitandro filaminana ireto.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 25 Martsa 2015
Actualités.Raherisoa Vololona Victorine Mitohy ny asa soa ho fampirisihana ny tanora

Tsy niandry ela fa ora vitsivitsy monja taorian’ny nibatan-dry zareo ny amboara naha tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra sokajy D-1 elite 2 sy nandroahana ny omby nody teny Ambohimanarina dia tonga nisaotra ny depiote Raherivoa Vololona Victorine voafidy teny amin’ny Boriborintany faha-6

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 25 Martsa 2015
Actualités.Tokantrano Malagasy Miha mahantra noho ny tamin’ny taona 1960

Tsy vitan’ny mitombo andro aman’alina ny isan’ireo mahantra eto Madagasikara fa mihamahantra ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy raha oharina tamin’ny 1960, taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 25 Martsa 2015
Actualités.TPFLM 138 taona nijoroana tamin’ny asa fampandrosoana

Anisan’ny zokiny indrindra ny Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy. Ny taona 1877 no niorenany teto Madagasikara. Anarana voalohany nisalorany tamin’izany ny «Imprimerie de la Mission Norvégienne». Ny taona 1975 kosa no noraisin’ny Fiangonana Loterana Malagasy manontolo ny fitantanana ny «Imprimerie Luthérienne».

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Martsa 2015
Actualités.Kaominina Ambohidrapeto Atsimondrano Nijery manokana ireo traboina sy mahantra i Zafera Josimar

Olon-tsotra monina eny Ambohidrapeto Atsimondrano ihany i Zafera Josimar saingy efa nitantana fikambanana. Efa ananany ny traikefa amin’ny fitondrana olona, asa efa niainany hatrany am-pianarana. Tsy nahatsindry ny tenany manoloana ny voina mitranga eto amin’ny firenena ka tonga nanolotra sakafo antoandro ho an’ireo mpiara-monina aminy traboina ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny
FTT