tsy mbola mety mamoaka ny vola 103 tapitrisa dolara, izay anjaran'i Madagasikara amin'ny fifanarahana FEC
Facilité Elargie de Crédit) sy FRD (Facilité pour la Résilience et la Durabilité) ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na FMI, raha ny filazam-baovao nataon’ny tranonkala Africa Intelligence tamin’ity herinandro ity. Ambaran’io fampahalalam-baovao io ho antony ny tsy fanajan’i Madagasikara ny fampanantenana natao tao anatin'ny "Lettre d'intention" nosoniavin'ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Vola mikasika ny fanafoanana ny famerana ny vidin-tsolika sy ny fametrahana ny vidiny araka ny tokony ho izy na ilay antsoina hoe : « Ajustement automatique de prix à la pompe ». Efa tany amin’ny volana jolay no namoahana didim-panjakana io, ary efa nisy ny serasera fampiomanana saim-bahoaka nataon’ny Fanjakana ka nilazana fa tsy hihotra ny 200Ar. Taty aoriana dia nilaza ny Filoham-pirenena fa niady ny tsy mbola hampiharana an’io aloha, ary niresahana ilay fizarana vola fanampiana « Tsimbina » lazaina hitsinjovana ny Malagasy. Tsiahivina fa mitentina 337 tapitrisa dolara ny FRD ary 321 tapitrisa dolara kosa ny FEC izay hitsitaitaika anatin’ny 3 taona, saingy io mikatso io na nanaovana serasera nipoapoaka aza tany amin’ny volana jona fa poa-droa isika tamin’ny famatsiam-bola. Ny 30 septambra hatramin’ny 11 oktobra teo no nandalo nanao tombana teto ny iraky ny FMI, ka nanatsikafona ny fahasahiranana lalina ara-toekerana eto, ny olan’ny herinaratra sy rano ahiana hivadika ho korontana, ny faharatsian’ny làlana,… Tahaka izany ihany koa ny ahiahy goavana eo amin’ny fifanarahan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, ny tontolon’ny fanomezana tsenambaro-panjakana,… Miharihary ny olana ara-toekarena ateraky ny tsy fahaiza-mitantana. Dia io fa mbola tsy mivoaka ny FEC 103 tapitrisa dolara izay mba heritreretina hanome aina kely ny vola Malagasy. Tsy mbola hita taratra ao anatin'ny volavolan-dalàna mamaritra ny tetibola hoan'ny taona 2025 na PLFI 2025 io resaka fanampian’ny FMI io raha ny fanamarihana. Endrika maneho sy manamafy fa kofona hatrany ny Fanjakana Rajoelina, ary mitombo ny olana, kanefa ny fampanantenana mitosaka hatrany. Tsy mbola hita taratra ny làlan-kivoahan’ny Firenena fa fanarontsaronana krizy sy vahaolana tandrametaka no betsaka, raha tsy hilaza afatsy io resaka olan’ny rano sy herinaratra io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.