Gérard Ramamimampionona

«Miha mahantra ara-toekarena,


  • Alakamisy 04 Septambra 2025

sosialy, indrindra, ara-tsaina sy fanahy isika»

Fikambanan-javatra maro toy ny vatana ihany ny fiainan’olombelona, hoy ny mpahaifiarahamonina, Gérard Ramamimampionona. Misy ny loha natao hiheritreritra, tratra hiainana, fo hitempo, tongotra handehanana, tanana handraisana, kibo mihinana sy ny karazany, hoy izy. Ohatran’izay ihany koa ny fiainan’olombelona. Misy toekarena, sosialy, koltoraly, politika fandaminana sy ny karazany ihany koa. Rehefa marary ny lohanao dia marary ianao. Marary ny kibonao dia marary ianao. Marary ny sosialy na marary ny toekarena dia marary ny firenena. Vao misy iray marary amin’ilay sehatra dia efa aretin’ny vatana manontolo na firenena manontolo izany. Misy fifandraisana lalina ao. Ny fahaizana mitondra ny politika no mampilamina ny toekarena. Ny toekarena milamina no mampirindra ny fiarahamonina, ny soatoavina, ny ara-kolontsaina sy ny karazany. Ny saina mandamina dia ny politika. Amin’izao andron’ny tambazotran-tserasera izao moa dia mifankahita daholo izao tontolo izao. Mampitaha ny fiainany taty amin’ny fiainany any amin’izay ireo malagasy lasa any an-dafy any ohatra. Tany izy mety nahita fiainana tsaratsara kokoa fa hoe tsy misy hoavy na «avenir» eto. Any izy vao miteny sy ny karazany. Isan’ny mbola maha iray saina sy fo ary aina izay. Raha ohatra kosa hoe any izy dia miantso hoe hanakorontana dia izaho manokana dia isan’ny olona tena tsy tia korontana sy herisetra. Tsy ekeko koa nefa ny fanararaotana ny fahantrana na fahasahiranan’ny hafa. Tokony hisy vahaolana tadiavin’ny rehetra miaraka izany manoloana an’izay. Tsy azo atao ny mikorontana fa tsy azo atao koa ny manararaotra ny fahantrana sy fahasahiranan’ny hafa! Tsy mety raha hifampiandry valifaty eto foana isika! Mitaky fisainana sy fitiavan-tanindrazana ary fahendrena lalina izao zava-misy eto amin’ny tany sy ny firenena izao. Eo koa ny fandraisana andraikitry ny rehetra. Ny fandrosoan’ny malagasy rehetra na any ivelany io mba hahafahan’izy ireo mody na ny eto no tokony himasoantsika miaraka. Ny sehatra iraisampirenena mahita hoe mahantra isika. Ny fiarahamonina mahita fa tena mahantra isika. Miha mahantra ara-toekarena, sosialy, indrindra, ara-tsaina sy fanahy isika. Izay fahatsapan-tena miaraka na «conscience collective» izay no andrasana voalohany amin’ny rehetra. Tsy mila ijerena izany hoe mpanohana fitondràna sa mpanohitra fa mila miaiky an’izay aloha isika. Izay avy eo no mitondra any amin’ny fisokafan-tsaina satria mila fisokafan-tsaina isika. Ny eo amin’ny fanoherana tsy faly hanaratsy fotsiny ny fitondràna ary ny fitondràna tsy ho faly hanilika fotsiny fa miaraka mijery vahaolana. Atao inona fotsiny ireo manam-pahaizantsika ireo, ireto raiamandreny hoe manam-panahy ireto? Zava-dehibe izao ny fisian’ny atao hoe «Kianja maitso» amin’ny tontolo ambanivohitra fa alohan’izany, izay rehetra mahatsiaro ho tomponandraikitra sy tena tia tanindrazana no mila miara-miresaka sy mijery ilay firenena dia ao anatin’izay fiheritreretana lalina izay no tsy maintsy mahita hoe asiana fototra toy io Kianja maitso io ny firenena, hoy hatrany ny tenany, fa tsy atao mitsingevaeva maka tahaka ny any ivelany fotsiny.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT