Vahaolana famonoana afo hatrany ny eto

Miverina mangotraka indray ny delestazy


  • Alatsinainy 28 Jolay 2025

Raha niatoato nandritry ny fitokonan’ireo sendikan’ny mpiasan’ny JIRAMA sy ny dinika

nifanaovan’izy ireo tamin’ny fitondràna amahana ny olana momba ny fitantanana ity orinasa mpitsinjara jiro sy rano na, ny marimarina kokoa, herinaratra sy rano eto amin’ity firenena ity ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny na delestazy, indrindra, ho an’ny teto Antananarivo sy ny manodidina, teo dia miverina mangotraka indray ankehitriny izany delestazy izany. Nanomboka nahavelon-taraina olompirenena maro indray ny nafitsok’izany, indrindra amin’ireo fihariana mikasika ny herinaratra, nanomboka ny zoma teo. Tao ireo naneho ny fahasorenany raha nianjadian’ny fahatapahana minitra vitsy fa miverimberina matetika ary tao ihany koa ireo nimenomenona noho ny fiverenan’ny tsy fisian’ny herinaratra mandritry ny ora maro toy ny ora 4 na 6 indray. Ilay tapatapa matetika manimba hatramin’ny fitaovam-piasàna mihitsy, hoy ireo fanehoan-kevitra. Ilay fahatapahana maharitra moa dia mampihena ny asa vita na mampiato tanteraka ny tokony atao mihitsy. Hatreto izany dia vahaolana famonoana afo hatrany ny an’ny fitondràna, raha ny mikasika ity olan’ny herinaratra sy rano ity tao anatin’izay 7 taona izay. Olana momba ny sata mifehy ny orinasa Jiro sy rano malagasy moa, raha tsiahivina, no fototry ny fitokonan’ireo mpiasa tao anatin’izay 1 volana manodidina izay. Efa hita ve izany ny marimaritra iraisana, fa indrindra, ny vahaolana maharitra momba ity olan’ny herinaratra sy rano efa hiaraha-mahalala fa mamono vahoaka an-kolaka ity? Raha eny, rahoviana no hampiharana azy? Manao ahoana ihany ny mikasika an’i Tsimiroro sy Bemolanga ary ny tariny rehetra sa ve heverina ho toy ny sosokevitry ny mpitsikera fitondràna ka tsy mila raisina?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT