Miisa iray miliara ireo zaza roa ka hatramin’ny 17 taona no fantatra fa hiharan’ny herisetra maneran-tany ka tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana azy ireo mialoha ny faha-18 taonany.
Asa maro no hatrehin’izy ireo, indrindra fa aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana toa antsika eto Madagasikara. Ankoatra ireo fahita mahazatra izay hahazoan’ny ankizy vola dia misy mihitsy ireo miroso amin’ny asa fivarotan-tena hahafahany mampandeha ny fiainany. Zaza efatra amin’ny folo raha araka ny tarehimarika navoakan’ny UNICEF no fantatra fa efa niasa talohan’ny faha-18 taonany. Fanadihadiana mifandraika amin’izay no entin’ny gazety Tia tanindrazana amintsika mpamaky anio, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny iray volana ho an’ny ankizy izay marihina amin’ity volana jona ity.
MISEHO AMIN’NY ENDRIKA MARO
Miseho amin’ny endriny maro ny fampiasana zaza tsy ampy taona eto amintsika. Ho antsika eto an-drenivohitra dia ireo ray aman-dreny mihitsy amin’ny ankapobeny no mampaniraka ny zanany hanao izany mba hahazoany vola, ankoatra ireo efa kamboty. Tsy mbola zakan’ny sain’ny ankizy anefa ny miasa satria tsy miantoka ny fivelarany sady mety hanimba ny hoavy iray manontolo mihitsy. Misy amin’izy ireny ny manao tsianjery dia mangataka avy eo izay ahazoany vola 2.000 Ar isaky ankizy isan’andro raha kely indrindra. Toraka izany koa ireo mitaona rano maloto izay ahazoana 100 Ar isaky ny sceau iray mandroso sy miverina raha mbola mijanona ho 10 ka hatramin’ny 15 Ar kosa ny mitaona biriky iray, miankina amin’ny halaviran-dalana. Ny 80%-n’ireo ankizy monina eny amin’ny faritra iva dia saika manao ireo asa ireo avokoa. Ho an’ny any amin’ny faritra indray, indrindra fa ny any avaratra dia ny fitangosana lavanila no tena asa hataon’izy ireo izay mety hahazoany 100.000 Ar isaky ny ankizy isan’andro, antony mahafoana tanteraka ny mpianatra eny anivon’ny EPP rehefa fotoam-piotazana. Saika miafara amin’ny fanararaotana ara-nofo avokoa anefa ny ankamaroan’ireo tranga ireo amin’ny ankapobeny. Ny 15 %-n’ireo zazavavy kely 15 ka hatramin’ny19 taona no efa lasibatra.
SADY MIANATRA NO MIASA
Misy amin’ireo ankizy efa miasa ireo no mbola mianatra ihany koa, indrindra fa ireo mipetraka aman’olona na koa manan-jandry marobe ka tsy maintsy manampy amin’ny fidiram-bola ao an-tokantrano. Ho ana sekolim-panjakana iray eto an-drenivohitra, ohatra, dia miisa folo eo ho eo ireo ankizy voakasika. Tena mahay tokoa ny ankamaroan’izy ireo, hoy ny talen-tsekoly saingy ny olana dia diso reraka amin’ny fitadiavana izy ireo ka tsy mifantoka amin’ny fianarana intsony. Matory avokoa ny ankamaroan’izy ireo rehefa tonga any an-tsekoly raha misy ireo marary vokatry ny havizanana mihitsy. Mbola zon’ny ankizy anefa ny mianatra, misakafo ara-dalàna, manana fianakaviana saingy tsy ahitana taratra izany intsony ny fiainantsika eto Madagasikara ankehitriny. Ankizy enina amin’ny folo no tsy tafiditra eny anivon’ny EPP intsony noho izay fampiasana azy izay raha iray amin’ny 2 no lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo.
HENJEHIN’NY LALANA
Marihina anefa fa henjehin’ny lalana ny fampiasana zaza tsy ampy taona, indrindra raha latsaky ny 15 taona izy ireny. Tsy mihoatra ny 8 ora isan’andro, ohatra, ny ora hampiasana ilay ankizy dia maka aina mandritra ny 12 ora, hiantohana ostie raha marary, mahazo sakafo ara-dalàna, mandray karama ihany koa, ary nahazoana alalana tsara avy amin-dray aman-dreniny ny fampiasana azy araka ny artikla faha-100 voasoratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny asa. Raha vao latsaky ny 15 taona ny zaza iray dia mety mampigadra ny fampiasana azy ireny, indrindra raha mbola arahina karazana herisetra toy ny fikasihan-tanana sy ny tsy fanomezana sakafo izany. Miankina amin’ilay zava-misy niainan’ilay zaza anefa ny sazy mety hahazo ilay mpampiasa, araka ny artikla laharana 261 voasoratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny asa. Miainga amin’ny 1 ka hatramin’ny 3 tapitrisa Ar ny onitra aloha amin’izany izay mety hiampy fidirana am-ponja iray ka hatramin’ny telo taona mihitsy raha tsy voahaja ireo voalaza etsy ambony ireo.
ANKIZY MIVARO-TENA
Anisan’ny asa ataon’ny ankizy betsaka ihany koa eto amintsika ny fivarotan-tena an-tsokosoko. Efa hatramin’izay no nisy io, hoy ny ECPAT. Miisa folo ireo hitany lasibatry ny vohoka tsy niriana hatramin’ny taona 2009 no ho mankaty, raha 5 ireo efa raisiny an-tanana eto an-drenivohitra ankehitriny. Fomba efatra no entin’ny ankizy mivaro-tena ankehitriny eto amintsika ka 16 taona no kely indrindra amin’izy ireny. Lohalaharana ny fijorojoroana etsy sy eroa, any amin’ny karaoke, any amin’ny efitrano fanorana, izay nomarihiny fa efa manana mpanjifa manokana mihitsy, ary any anaty tambajotram-pifandraisana. Noho ny rendrandra amin’ny ankapobeny no manosika ny ankizy hanao ilay asa toy ireo te hampiasa finday avo lenta, te hanao fitafiana miavaka amin’ny an’ny hafa, te-hihinana sakafo be… ka ny fivarotany ny tenany no hitany fa vahaolana. Misy ihany koa anefa ireo teren’ny tsy fisiana lava ao an-trano, kamboty na koa manana olana amin’ireo nahitany masoandro.
POLITIKAN’NY FANJAKANA
Efa manana ny politika hahafahana miady amin’ny herisetra mahazo ireo ankizy latsaky ny 18 taona eto amintsika ny fitondram-panjakana. Hampitomboina ho 8 % izay mitentina 7.000 miliara Ar ny tetibola entina hanatsarana ny fiainan’ny ankizy amin’ny ankapobeny ( fahasalamana, fianarana, sakafo…) raha 15 % no neken’i Madagasikara nandritra ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fanajana ny zon’ny ankizy izay nanaovantsika tamin’ny taona 1991. Manohana akaiky izany ny birao iraisam-pirenena momba ny asa izay manofana arak’asa ireo ankizy any amin’ny faritra mba hahatonga azy ireny tsy hanaotao foana. Anisany ny any Antsiranana izay misy ireo andiana ankizy fôrôsy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.