Madagasikara

Mirehitra mena ny tondro rehetra !


  • Alakamisy 12 Jona 2025

Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny

mari-pandrefesana ny fahantrana raha 2,15 dolara teo aloha, ho an'ireo firenena manana fidiram-bola ambany. Ho an'i Madagasikara, midika izany fa olona miaina amin'ny vola latsaky ny 15.000 ariary isan'andro dia heverina ho mahantra, raha oharina amin'ny 10.750 ariary teo aloha, araka ny tahan'ny fifanakalozam-bola amin'izao fotoana izao. Ny volana mey 2022 no niakatra ho 2,15 dolara ny mari-pandrefesana raha 1,90 dolara talohan’izany, ary io niakatra 3 dolara io. Ity fanitsiana ity dia natao hanatsarana ny fandrefesana ny fahantrana amin'ny alalan'ny fanitsiana ny vidin'entana sy ny fomba fiainana amin'izao fotoana izao. Ankoatra izany, ho an’ny Firenena manana fidiram-bola antonony dia niakatra ho 4,20 dolara, ary ho an'ny firenena manana fidiram-bola sokajiana ho ambony dia niakatra ho 8,40 dolara. Araka ny tatitra navoakan'ny Banky Iraisam-pirenena tamin'ny volana aprily 2025, manodidina ny 80% amin'ny mponina eto Madagasikara no mbola miaina ambanin'ny tokonam-pahantrana teo aloha, tamin’ilay mari-drefy raisina amin’ny 2,15 dolara. Amin'ity fanitsiana vaovao ity, dia mety mbola hitombo sy hidangana mazava ho azy io tahan'ny fahantrana io. Namafisin’ny Banky Iraisam-pirenena fa ny fanavaozana natao dia nampifanarahana amin’ny zava-misy ara-toekarena sy hanatsarana ny fandrefesana ny fahantrana maneran-tany. Ho an'ny mponina Malagasy, ity fanitsiana ity dia manasongadina ny fahasarotan'ny fiainana andavanandro sy ny filàna fanohanana bebe kokoa avy amin'ny fanjakana sy ny mpiara-miombon'antoka amin'ny fampandrosoana.

MIHA FADIRANOVANA
« Tsy mitovy ny mari-pandrefesana (baromètre) ka izany no ilazako amin’ny Malagasy afaka miaina sambatra foana isika na dia tsy mitovy amin’izay refy teren’ny hafa apetraka amintsika. Any Eoropa raha mandray 600euro amin’ny karama farany ambany na SMIG dia miaina anaty fahantrana, fa eto Madagasikara, ny tambanivohitra mamelon-tena, tsy misy jiro, dia sambatra raha mahazo 100 euros (5 hetsy ariary eo) », hoy i Andry Rajoelina ny volana aprily teo. Ny SMIG napetraky ny Fanjakana anefa mbola 260 000Ar na 53 dolara eo. Isika anefa voasokajy ho anatin’ny Firenena miaina anaty fahantrana farantampony na « extrême pauvreté ». Ny faran’ny desambra 2020, nahatratra 1,4 tapitrisa ireo olona nidina any amin’ny fahantrana farahidiny, raha ny tatitra nataon’ny Banky Iraisam-pirenena hatrany. Vao ny volana mey 2025 teo, navoakan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana (PNUD) ny tondro momba ny fandrosoana sy ny fivoaran’ny mahaolona (IDH), zara raha nahazo isa 0,487 tamin’ny taona 2023, nametraka antsika ho Firenena faha-183 amin’ny 193. Anaty lisitra mitovy amin’ny an’i Yemen, Sierra Leone, Burkina Faso, Burundi, Mali, Niger, Tchad, Centrafrique, Somalia, ary Sudan du Sud i Madagasikara.
MENA NY TONDRO REHETRA
Andaniny, milalao saim-bahoaka amin’ny zavatra tsy maharitra ny Fanjakana izay manao kizarazara sy kitolotolotra mandalo. Tia mamono afo fa tsy mamaha olana. Ny toe-draharaha eto Madagasikara manontolo mihitsy anefa no mirehitra mena : toekarena, sosialy, fanabeazana, fahasalamana, angovo, asa ho an’ny olona,… 80% amin’ny vahoaka mahantra ary mety hiakatra, ny 70% amin’ny tanora tsy an’asa,… Mahatratra 3 tapitrisa ny tanora mpikamban'ny amin'ny Fikambanan'ny tanora tsy an'asa, ankoatra ireo ivelan’izany. 25 000 hatramin'ny 30 000 amin'ireo 80 000 mivoaka isan-taona eny amin'ny Anjerimanontolo no mahita asa. Olona 9 amin'ny 10 eto Madagasikara miasa amin'ny sehatra tsy manara-dalàna. Ny resaka angovo sy herinaratra no io efa miteraka fahatezerana etsy sy eroa io, izay efa zava-doza satria efa am-polony ora isan’andro ny fahatapahana, fa ny zava-drehetra anefa efa tena zava-doza toa an’io avokoa. Mbola miharihary anefa ny tsy fahaiza-mitantana, ny filalaovana saim-bahoaka, ny laharampahamehana kisampotsampona, fandanindaniam-poana,... Mbola fampiasan-kery aza no fomba entin’ny mpitondra miatrika olana. « 750 miliara Ar hitaingenana tariby eto Antananarivo, kanefa ny làlana eran’i Madagasikara tapitra potika », hoy ny depiote iray. Mbola ho zaka ve raha izao no mitohy ? Hatraiza ny faharetan’ny Malagasy ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT