Mbola miteraka resabe eny anivon’ny fiarahamonina eny ny resaka fiakaran’ny faktioran’ny JIRAMA. Maro ny velon-taraina ary tsy vitsy koa no miaka-pofona mihitsy tamin’ny nafitsoky ny JIRAMA.
Na dia efa nampahafantarin’ny fanjakana mialoha ihany ary ny amin’ny hisondrotan’ny vidin-jiro sy rano manomboka ny volana janoary (fandaniana desambra) dia hita ho taitra ary kivy tanteraka ny vahoaka nahita ny faktiora. Na inona na inona fanazavana entin’ny tompon’andraikitra, hoy ny maro, dia tsy rariny izao zavatra atao aminay izao. Misy fiantraikany amin’ny fitsinjarana ny vola eo an-tanana mihitsy ity fiakarana ity ary mipaka hatrany anaty vilany. Ny anay efa mitokana isam-bolana foana ny vidin-jiro sy rano ary manodidina ao amin’ny 50 000 Ariary eo, hoy Andriamatoa Fetra kanefa lasa 75 000 Ariary latsaka kely. Ny zavatra nampiasaina anefa tsy niampy, nisy aza nanalana vao vantany nandre hoe hisondrotra ny faktiora. Tsy maintsy mitady vola hafa hanetsemana ny banga, hoy ihany izy. Araka izany dia nanapa-kevitra hisokatra alahady ity raim-pianakaviana mpivarotra enta-madinika ity. Tsy misy intsony ny mba fakana aina sy ny fiarahana amin’ny fianakaviana. Manoloana izany dia hita fa tsy nandalo tato ato ny mpanapaka jiro rehefa tara ny fandoavana ny faktiora. Toromarika mihitsy ve sa noho ny tahotra ny vavam-bahoaka ? Ny zavatra tsikaritra aloha dia efa feno ny kapoakan’ny vahoaka Malagasy satria efa miantraika amin’ny aty vilany mihitsy ny ataon’ny fitondrana; ary atahorana hitarika korontana sy fipoahana sosialy ity resaka faktiraon’ny Jirama ity raha tsy ahitam-bahaolana matotra.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.