Sosialy

Fiainana ao anaty loto Lasa fahazaran’ny tokantrano sasany


  • Alakamisy 26 Jolay 2018

Lasa fahazaran’ny tokantrano Malagasy sasany ankehitriny ny miaina ao anaty loto.

Faritra maro eto an-drenivohitra no ahitana izany, indrindra fa  ny eny amin’ny Faritra iva. Ho an’ny eny Manarintsoa sy ny manodidina, ohatra, dia any amin’ireo lakandrano hivarinan’ny rano maloto ihany no manary maloto ny sasany nefa tsy lavitra eo dia hanasan’ny sasany  lamba indray ilay rano maloto. Ho an’ny etsy La Réunion kely indray dia iny rano maloto mandalo eo amin’ny tanànan’izy ireo iny ihany no hanasan’ny mponina lamba nefa sady hanariany maloto. Ao ihany koa ireo ankizy madinika rehetra eny an-toerana no manao maloto. Raha fanadihadiana natao tamin’ireo mponina eny an-toerana dia noho ny tsy fahampiana avokoa no antony. Misy ireo olona manam-bola hamidy savony saingy tsy manana hividianana rano eny amin’ny paompy ka tsy maintsy eny no manadio ny lambany. Ho an’ny trano fivoahana indray dia efa tafakatra 100 Ar ny mampiasa azy ireny ho an’ny olona iray ka tsy manana fahafahana ny rehetra. Raha tsiahivina, aretina maro no aterany, anisan’ireny ireo tsy fantatra anarana mety mahazo tampoka ny olona, indrindra fa ireo ankizy madinika. Naman’ny mandrora mitsilany ihany isika satria isika ihany no milanja ny vokany avy eo. Amin’ny ankapobeny dia tsy midika ho fahalotoana tanteraka  ny tsy fananana fa azo atao tsara ny manohitra izany, manomboka any amin’ny fanamboarana ny toe-tsaina.

 

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT