Mbola voarara tanteraka hatreto ny fandefasana mpiasa Malagasy mankany amin’ireo tany Arabo toa an’i Liban sy Koweit. Mbola misy anefa ireo agence deplacement minia mikipy ka maka vola aman’olona sy mampanantena asa tsara be ho azy ireny.
Tsy mijanona amina toerana iray anefa izy ireny fa mampaniraka olona ihany koa ka renim-pianakaviana iray indray no voasoloky vola 150.000 Ar ny herinandro teo, nampanantenaina alefa hiasa any Maorisy. Raha tsiahivina, mahatratra 1 tapitrisa Ar isam-bolana ny karaman’ny mpiasa iray any Maorisy amin’izao raha 1.200.000 Ar ka 1.900.000 Ar kosa ny any Koweit sy Liban. Na dia tsara aza ny karama dia mihatra aman’aina ny asa tanterahin’ireny olona ireny any an-toerana. Tsy tian’ireo mpampiasa mihitsy mantsy ny mijery ireo mpiasa mipetraka na dia manomboka amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 11 ora alina aza izy ireny no miasa. Adidy karazany 17 isa isan’andro no takiana amin’izy ireo izay mety mbola hiampy daroka sy vono, indrindra fa ho an’ireo vehivavy mpiasa Malagasy tsy mahay ny fomban-tanin’izy ireo sy ny fiteniny. Olana be any an-toerana ny fanaovana akanjo fohy na mampiseho sandry satria atahoran’ireo vehivavy arabo haka ny vadiny izy ireny, raha araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo mpiasa Malagasy. Manomboka amin’ny 22 taona katramin’ny 37 taona anefa ireo vehivavy ilaina izay efa mahatratra 600.000 isa hatreto. Betsaka tamin’izy ireo no efa niharan’ny fanolanana ihany koa. Tsiahivina anefa fa melohin’ny lalàna ny fandefasana mpiasa an-tsokosoko mankany ivelany arahin’ny fanararaotana ara-nofo izay mety hampigadra roa ka hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina, miampy onitra 10 tapitrisa Ar. Fepetra takian’ny fitondram-panjakana ho an’ireo agence deplacement maniry handefa mpiasa any ivelany ny fanofanana ireo olona alefa any an-toerana arahin’ny fananany fifanaraham-piaraha-miasa amin’ireo orinasa any an-toerana handray ireo mpiasa avy any amin’ny firenen-kafa ho fiarovana ny zon’izy ireny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.