Miaina anaty fahantrana ny 92 %-n’ny mponina manerana ny Nosy. Ankoatra ireo tena milomano anaty harena na ireo antsoina hoe :
mpanankarem-be dia ireo farahidiny no tena betsaka ka misy ireo tsy mihinana afa-tsy indray mandeha isan’andro intsony raha in-telo no tokony ho izy. Zara raha miaina fotsiny vokatr’izany ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Santionany amin’ireo hiharan’izany ity raim-pianakaviana sendra ny gazety Tia Tanindrazana ity.
2.500 Ar isan’andro no karama raisiny
Efa fito taona izao no nilomanosan’i Lôdy tamin’ny asa fitarihana sarety teto an-drenivohitra. Efa kilemaina mihitsy izy noho ny fandonan’ny taksibe ny sarety nentiny ka nipetraka teo amin’ny feny ilay blakara vy be iny. Manan-janaka valo izy ka ny lahimatoany no efa manampy azy sahady amin’ny asa fitarihana sarety, ankehitriny. 2.500 Ar isan’andro no karama azon’izy mianaka raha ny fanazavany, 5.000 Ar raha betsaka indrindra. Ny sakafo ho an’ny ankizy no tsy maintsy hatao laharam-pahamehana izay nomarihiny fa tsy betsaka sady tsy voatery hisy hena fa rehefa mihinana dia izay. Mbola mpanofa saretin’olona i Lôdy raha ny fanazavany. 9.000 Ar isam-bolana no hanofany izany raha 3.000 Ar isam-bolana ihany koa ny garazy. Ny vola azo anefa etsy an-daniny tsy mahavita afa-tsy ny sakafo. Tsy tafiditra ao anatiny intsony ny fitafiana. Miaina amin’ny paracétamol sy ny fanafodina 100 Ar ihany koa rehefa misy marary. Vao tamin’ny herinandro dia zana-drahalahiny iray no navelina satria tsy nanam-bola nitsaboana io zaza tsy manan-tsiny io izy ireo. Miasa manomboka amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 8 ora alina anefa i Lôdy isan’andro sady mbola miharitra ny fanenjehan’ny mpitandro ny filaminana azy ireo ihany koa. Mitady ireny ranontany tsy misy mpaka eran’ny tanàna ireny mantsy izy mianaka. Hadiana izany ary hafatratra anaty gony ary hitadiavana mpividy indray avy eo amin’ny vidiny 500 Ar isaky ny gonin-tsimenitra. Indraindray anefa dia tsy mahalafo ranontany iray sarety izy ireo ao anatin’ny herinandro.
Fahasahiranana miteraka fahafatesana
Miaina amin’ny fiainana tsizarizary tahaka izany ny ankamaroan’ny Malagasy. Tsy mijanona eo anefa fa mety hitarika hatrany amin’ny fahafatesana mihitsy, indrindra fa ho an’ny zaza amam-behivavy. Porofon’izany ohatra ny fahafantarana fa mbola mahatratra 10 isan’andro ireo vehivavy mamoy ny ainy eto amintsika vokatry ny fiterahana. Mety ho eo am-piterahana izany, mety ho ao aoriana kely nefa mety ho vokatry ny fahasarotam-piterahana sy ny fiterahana tamin’ny toerana tsizarizary ihany koa. Tombanana ho vehivavy 400 no mamoy ny ainy isaky ny zaza teraka velona 100.000 raha tombanana ho 5.000 isan-taona ny trangan’aretina mamay lava vaovao hita eto amintsika vokatry ny fahasarotam-piterahana ihany. Saika mbola madinika avokoa mantsy ireo zazavavy ankehitriny dia efa miditra sahady eo amin’ny sehatry ny fanambadiana na miteraka tsy misy rainy noho ny fahasahiranana mianjady amin’ireo nahitany masoandro. Misy amin’ireto farany mihitsy moa no mampirisika ny zanany mba hiroso amin’izany hanamaivanana ny adidy tokony hatrehiny. Mizaka ny tsy eran’ny ainy ireo tovovavy mbola kely ka misy ireo mamoy ny ainy mihitsy.
Lasibatra ihany koa ny ankizy madinika
Lasibatra ihany koa ireo ankizy madinika. Zaza 44,8 amin’ny 1.000 teraka no mamoy ny ainy eo am-pahaterahana noho ny antony maro samihafa. Zaza 44.000 isa isan-taona ihany koa no maty alohan’ny faha-5 taonany, izany hoe zaza 120 isan’andro. Ny 21% -n’ireo dia vokatry ny pnemonia avokoa, ny 20% vokatry ny tazomoka, raha vokatry ny fivalanana ny 17%. Noho ny fahantrana avokoa no mahatonga izany. Ho an’ireo efa lehibebe indray ary tsy afa-mandia ny varavaran-tsekoly noho ny fahasahiranana dia efa mahatratra 2.000 mahery izy ireo no ankizy mirenireny eny an-dalam-be ankehitriny. Eto an-drenivohitra fotsiny io tarehimarika io, navoakan’ny vovonana miaro ny zon’ny ankizy iray ary tsy mbola nahitana vahaolana mandraka ankehitriny. Vokatry ny fialokalofan’ny ray aman-dreny eo ambanin’ilay fitenenana hoe : fahasahiranana no anton’izany, hany ka tsy voahaja intsony ny zon’ny ankizy eto amintsika. Araho kely ange ny resaka nifanaovana tamin’i Fenokely, zazalahy iray 12 taona tokony mbola hianatra nefa lasa mpangataka eny amoron-dalana e !
Encadré-na kely
12 taona aho izao. Telo ny isan’ireo zanak’i dadanay sy mamanay ary izaho no faharoa. Efa herintaona aho izay no nijanona nianatra fa tsy manam-bola hampianarana ahy intsony, hono, i dadanay sy mamanay. Dia mandehandeha mangataka eny amoron’ny arabe no hataoko isan’andro. 500 Ar isan’andro no azoko amin’izany omena an’i mamanay hividianana sakafo dia ohatra izay foana. Tao amin’ny EPP Antetezana afovoany aho no nianatra taloha ary tsy mahay afa-tsy ny mamaky teny sy manoratra amin’ny fiteny Malagasy. Marihina moa fa manana namana dimy eo i Fenokely miaraka aminy ka 3 taona no zandriny indrindra izay samy mpangataka avokoa.
Efa misy politika vaovao
Raha araka ny fanadihadiana natao moa dia efa am-periny amin’ny fandrafetana politika vaovao hijerena akaiky ireny olona sahirana eto amintsika ireny ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy ankehitriny. Lohalaharana ny vehivavy sy ny ankizy ary ireo zokiolona. Amin’ny herinandro ho avy io raha ny fantatra no ho vita rafitra ny politika vaovao ary havoakan’izy ireo amim-pomba ofisialy mba ho fantatry ny rehetra. Andrasana ny fivoahany mba tena hisy fiantraikany amin’ny fiainan’ny mponina tokoa, indrindra fa ireo niangaran’ny vintana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.