ANKIZY SAHIRANA

MONINA ENY ANOSIBE


  • Talata 20 Oktobra 2026

Notoloran’ny sendikan’ny

indostria sy Joely kely fanomezana
Tena betsaka tsy tambo isaina ireo ankizy sahirana sy miaina anaty fahantrana monina eny amin’ny faritra iva eto an-drenivohitra. Anisan’izany ny etsy Anosibe, Boriborintany fahaefatra ahian’ny fikambanana MealEspoirs sy ny iles aux enfants mivantana. Misy amin’izy ireny no manana Ray aman-dReny ihany fa tena sahirana. Misy ́ny kamboty, ny narian-dRainy hatrany an-kibo....Tamin’ny taona 2019 no niorina teto Madagasikara ny fikambanana izay tantanana teratany vahiny. Ankehitriny miisa 150 eo ho eo ireo nampidirina nianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra sy sekoly tsy miankina eny Anosibe eny raha mitontaly 400 isa isan-taona kosa ireo alefan’ny fikambanana manovo fahalalana any amin’ireo sekoly mpiara-miombon’antoka aminy. Miisa 1400 isan’andro kosa ireo tsy maintsy omena sakafo atoandro raha fianakaviana miisa 40 no nomena trano fialofana. Mila tsy ho araky ny fikambanana izany adidy goavana izany antony nanosika ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara sy Joely kely mpanao hatsikana anaty tambajotran-tserasera hanolotra fanampiana ho azy ireo. Orinasa miisa 28 mpikambana ao amin’ny SIM no nanolo-tanana tamin’izany nahitana ny BICI, ny Star, ny Alpha ciment, ny Socobis....Omaly Alatsinainy 19 Oktobra no nanolorana tamim-pomba ofisialy ny fanomezana. Manararaotra ny fandalovany eto Madagasikara i Joely kely, antony nanaovany izao asa sosialy hiarahany amin’ny orinasa maro izao ho fitsinjovana ny maha-olona. Tanjon’ny rehetra ny hanampy sy hanohana ireo zaza Malagasy mba ho afaka hisitraka tanteraka ny zony eny fa na dia ireo tena sahirana indrindra aza.
Pati
Legende : Naneho ny firaisankinany tahaka izao ireo orinasa mivondrona ao amin’ny SIM !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Raharaha mpiasa
  • Talata 20 Oktobra 2026

miisa 33 tao amin’ny APMF

  • FISOLOKIANA
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

AMIN’NY MENA MAHAZO

  • Tsaramasoandro
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

– Ankazobe

  • Vitrine
  • Zoma 16 Oktobra 2026

du Vakinankaratra

  • MAHAVELONA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ANKAZOBE

  • Vovonana
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

famerenan-kasina ny Fokonolona

Hijery ny tohiny
FTT