Manoloana ny famoretana politika sy ny fitontongan’ny tontolon’ny zo maha olom-pirenena sy zo politika eto amintsika ary dia nohamafisin’ny tatitra 2010 avy amin’ny Liberty House ihany koa fa dia nitontongana izay tsy izy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ireo haino aman-jery ary gazety eto Madagasikara ka velom-panahiana ry zareo amerikanina.
Ao anatin’izany ny fisamborana ireo mpitarika ny mpanohitra, ny fampihorohoroana fanakatonana orinasan-tserasera sy ny mpanao gazety, ny fanagiazana ny vahoaka malagasy tsy haneho hevitra an-kalalahana sy ampahibemaso izay ataon’ny FAT. “Karazam-bahaolana toy ny ahoana no hamoaka firenena iray tsy misy fahalalahana amin’ny krizy ?», hoy ingahy Brett Bruen, mpanolotsaina eo amin’ny sehatry ny serasera eo anivon’ny masoivoho Amerikanina eto amintsika nametra-panontaniana. Izy rahateo moa no namaky ny fanambarana avy amin’ny fanjakana Amerikanina.
Voalazan’izany fanambarana izany àry fa zo amam-palalahana maromaro no voatohintohin’ny FAT ankehitriny manoloana ireo fihetsika ataony. Anisan’izany ny zo ho amin’ny fahalalahana manao fivoriana am-pilaminana, ny zo amin’ny fahalalahana miteny sy ny asa fanaovan-gazety, ny zo amin’ny fahalalahana manoloana fisamborana sy fanagadrana tsy ara-dalàna, ny zo hahazo fitsarana araka ny lalana, ao anatin’izany ny zo hahazo torohevitra, ny zo tsy hiharan’ny famonoana na koa fanasaziana manosihosy ny maha olona. Mazava ny tenin’ity mpanolotsaina fa «tsy manana ny toerany eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fanjakana tsy mahatanty sady tsy manaiky fanakianana. Mbola lavitra koa ny lalana ho ana firenena milaza azy ho demokratika kanefa mifototra amina fampihorohoroana sy famoretana», hoy ihany i Brett Bruen. Manoloana ireo rehetra ireo dia manao antso avo amin’ny FAT sy ireo mpisehatra ara-politika rehetra eto Madagasikara i Etazonia.
Ao anatin’izany ny tokony hampitsaharan’ny FAT sy ireo miaramilany ny fandrahonana sy fisamborana ary sivana atao amin’ireo mpanohitra sy ireo mpanao gazety. Ankoatra izay dia nilaza ny masoivoho Amerikanina fa vonona ho mpisolovavan’ny mpanao gazety, na dia ireo tsy mankasitraka azy aza. Zo fototra ho ana fandrosoana amina demokrasia, hoy ihany ingahy Bruen, ny fahafaha-miteny sy maneho hevitra. Mila tandrovana ihany koa, hoy ihany ny fanjakana amerikanina, ny zon’ny vahoaka malagasy ahafahany miroso sy mandray anjara amina dinika iombonana, tenierana sy demokratika hirosoan’i Madagasikara amin’ny tetezamita demokratika. Hozarainy sy hampahalalany izao tontolo izao ihany koa ny zava-misy eto amintsika. Notsiahivin’ny amerikanina fa anisan’ny andraikitry ny FAT ny fitandroana ny zon’olombelona ao anatin’izany ny fahalalahana manao fivoriana sy ny asa fanaovan-gazety, araka izay voarakitry ny lalàmpanorenana sy ny fombafomba malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.