Politique

Zaza Ramandimbiarison “Tsy vitan’ny lalàna fotsiny ny fitovian-jo”


  • Zoma 03 Jona 2022

Tsy vitan’ny lalàna fotsiny ny fampiharana ny fitovian-jo eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy na ny antsoina hoe “égalité des sexes”, hoy ny mpanao politika Zaza Ramandimbiarison.

Ny mikasika ny lalana fampandraisana anjara ireo vehivavy amina toerana ahafahana mandray fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena, izay nentin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, ary nankatoavin’ireo solombavambahoaka ny 23 mey 2022 teo moa no tena tiana ho resahana, hoy izy. Ampy hiadiana amin’ny herisetra mpahazo ny vehivavy sy ny tovovavy ve izany? Tsia no valiny. Tsy lalana tsy ahafaha-manampy afa-tsy vehivavy tandrenivohitra vitsy an’isa mihitsy no hamaha ny olana. Miaina any amina tontolo ambanivohitra ny maherin’ny 12 tapitrisa amin’ireo vehivavy sy tovovavy eto amin’ny firenena. Sao dia tokony hisy tolo-dalàna hafa atolotra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT