Politique

Zaza Ramandimbiarison « Tsy fifidianana fotsiny no aretin’ity firenena ity »


  • Zoma 22 Jolay 2022

Tsy fifidianana fotsiny no aretin’ity firenena ity, hoy ny minisitra lefitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Mila fanorenana ifotony mihitsy, hoy izy, ho an’ny hoavin’ny Malagasy.

Iaraha-mahalala ny fahasahiranana sy fahantrana misy sy miha lalina eto Madagasikara. Toe-draharaha vokatry ny tsy fahaiza-mitantana nisy nandritr’ireo fitondrana rehetra nifandimby io. Samy manome vahaolana ny amin’ny tokony hisian’ny fikaonandoha daholo ny rehetra nefa rehefa jerena ilay izy dia toa afantoka loatra amin’ny resaka fikarakarana fifidianana hoavy. Misy hery hafa miantso dinika hitadiavana vahaolana maro. I Madagasikara anefa dia marary noho ny fanaovana politika maloto nampiainana azy an-taonany maro izay voavolavola isaky ny taom-pifidianana am-polo taona maro. Tsy azo fintinina amin’ny resaka fikarakarana fifidianana ny hoavin’ny Malagasy. Ilana vahaolana ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny olana ara-tsakafo, ny olan’ny angovo, ny olan’ny fahasalamana. Tsy tokony hiandrasana taom-pifidianana ny fiaraha-mamaha izany olana rehetra izany, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT