Politique

Zaza Ramandimbiarison “Tena ho zava-doza ny krizy, mila asa fa tsy kabary”


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Raha nilaza ny filoham-pirenena ny alarobia 16 martsa 2022 nanoloana ireo minisitra vao notendrena fa “tsy ny iraka ny zava-dehibe fa ny fiantraikany”,

 dia namaly sy naneho hevitra momba io kosa Atoa Zaza Ramandimbiarison Praiminisitra lefitra tamin’ny Fitondrana Ravalomanana, fa asa fa tsy kabary no tena manan-daja amin’ny daholobe fa tsy ny resaka ». Tafapetraka ny governemanta saingy hanatsara ny fiainan’ny Malagasy izay tena andrasana ve ?. Miankina amin’ny asa ataony izay mifandraika amin’ny filàna maika ho an’ny vahoaka maro an’isa no mampipetraka ny haja sy ny finoan’ny olona izay ambaran’ny mpitondra, fa tsy ny resaka ataony, raha ny làlan-tsaina noresahin’Atoa Zaza Ramandimbiarison. Ny zava-misy dia efa tsy takona hafenina : fiakarana sy fidangan’ny vidim-piainana indrindra fa ny sakafo, ny solika izay ahiana hampiakatra ny tsy fitoniana. Ny tondro sy fambara momba ny fidangan’ny vidim-piainana na « inflation » dia manery ny governemanta vaovao hiverina handinika ny tokony ho laharam-pahamehana ary mamerina mihitsy ny tetibola mifandraika amin’ny hoenti-manana izay mila mahomby amin’ny lafiny toekarena fa indrindra hiaro ao anatin’ny hamehana ny Malagasy amin’ny fiantraikan’ny valanaretina sy ny ady any Ukraine. Ny fanafihana mahazo an’i Ukraine ataon’I Russie dia hisy fiantraikany tsimoramora saingy mihazakazaka be ny fidanan’ny vidim-piainana noho ny toekarentsika tena marefo, hoy hatrany Atoa Zaza Ramandimbiarison. Nambarany fa raha hiresaka mivantana mikasika varotra maneran-tany, amin’ny fizahantany amin’ny famatsiam-bola ivelany, hahatsapa ny tsindry goavana mifandraika amin’izany i Madagasikara amin’ity taona ity. Miankina amin’ny fanafarana solika ny toekarentsika, kanefa ho efa tena fantatara ny fitotonganana ara-bola sy ara-barotra miharihary arahin’ny tsindrin’ny fidangan’ny vidim-piainana. Ny fiakaran’ny vidin’entana ilaina andavanandro mba hamenoana ny filan’ny olona (savony, menaka, mofo,…) sy ny fiakaran’ny vidin’ny solika dia hampiharihary ny fiakaran’ny sondro-bidim-piainana, izay maneho ny fitotonganan’ny vola miditra amin’ny isan-tokantrano. Hikorontana ihany koa ny varotra ifanaovantsika amin’izao tontolo izao, hampihisatra ny raharaha ara-toekarena eto. Ny programa famoronan’asan’ny Fanjakana ihany koa anefa hikorontana, ka tanora an’arivony maro efa tsy manana no mbola hitotongana sy hanamaro isa ny vondron’olona ao anatin’ny fahantrana. Any amin’ny governemanta vaovao sy ny Fanjakana ny baolina, ary miankina aminy amin’izay ihany koa ny ho avy politikan’izao Fitondrana izao, raha haravona ny ampahan’ny fanehoan-keviny.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT