Politique

Zaza Ramandimbiarison « Sarintsarim-pampandrosoana no miseho eto »


  • Alatsinainy 25 Aprily 2022

Sarintsarim-pampandrosoana no hita ho miseho eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny praiminisitra lefitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison.

Hitondra inona ho an’ireo malagasy mahantra manodidina ny 21 tapitrisa ny dolara an-jato tapitrisa nomen’ny banky iraisam-pirenena antsika, hoy izy? Azo antoka fa ny manahirana ny malagasy maro an’isa izao dia izay hivoahany amin’ny fahantrana lalina sy miavosa niainany nandritr’izay taona maro izay. Indrisy, ho an’ireo manam-pahefana kosa dia taratra amin’ireo fitsidiham-paritra sy serasera ataony amin’ny haino aman-jery isan’andro, toy ny dian’ny filoha mamimbahoaka tany Washington, fa hafa mihitsy no laharam-pahamehana ho an’izao fitondrana mijoro izao. Mifantoka loatra amin’ny vola sy famatsiam-bola ny paikam-pampandrosoana kasain’ny fitondrana raha toa ka tsy mifanaraka amin’izany kosa ny zava-misy eny an-kianja. Hiaka-bidy hatrany ny vidin’ny vokatra ato anatiny raha toa ka mitohy mitotongana ny fiainan’ny Malagasy isam-baravarana. Raha mba mifantoka amin’ny ara-toekarena izao ny fomba fitantanana eto dia azo antoka fa hivoatra ny fiainan’ny malagasy manontolo amin’ny alalan’ny fampitomboana ireo vokatra indostrialy sy ireo asam-panjakana andoavam-ketra hampandrosoana ny tontolo andrenivohitra. Raha tamberin’andraikitra azo avy amin’ireny rehetra ireny ankehitriny no tokony ho gohan’ny vahoaka manontolo dia iarahantsika mahalala, indrindra, any amin’ny tontolo ambanivohitra fa ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tsy fandriampahalemana, ny kere, ny vidim-piainana midangana sy tsy fanjariam-piainana isan-karazana no mameno ny andavan’andron-dRamalagasy. Mitaky fanovana mankany amin’ny tanjona ho amin’ny tsaratsara kokoa ny zava-misy ankehitriny ary mitaha amina mpiazakazaka am-bisikileta mananika tendrombohitra isika izao, izay mila mananika ny tendro fa raha tsy izany dia mianjera raha toa mijanona an-tenantenan-dalana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT