Politique

Zaza Ramandimbiarison « Mahay mihaino ve ny fitondrana ? »


  • Talata 17 Mey 2022

Tontosa iny ny fitsirihina nataon’ny vondrona eoropeanina mikasika ny fanaraha-maso ny fifidianana, hoy ny mpanao politika, Zaza Ramandimbiarison.

Fanambina fankatoavana no andrasana mikasika ny dingana arahana momba azy io, hoy izy, raha fehezina. Mbola taratra tao ihany ireo nampisy olana tamin’ny lasa sy mivaona amin’ny fenitra iraisampirenena. Fanamby fototra ho an’ny CENI mikasika ny fifidianana 2023, noho izany, ny fisorohana ny fitanilana eo amin’ny fahafahan’ireo mpandray anjara. Voaporofon’ny fahavitsian’ny mpandatsa-bato farany teo ny tsy fahatokisan’ireo mpifidy ny CENI eo amin’ny fikarakarana fifidianana. Tsikaritra ho navela hanana tombony nihoatra ny hafa ny kandida eo amin’ny fitondrana ankehitriny. Ilaina mialoha izao fifidianana hoavy izao noho izany ny fikaonan-doha anaty fitoniana. Vitsy ireo natao, hoy ny iraky ny vondrona eoropeanina, Christian Preda, izay mpikamban’ny parlemanta eoropeanina teo aloha, raha nanao ny fitsirihany teto. Mba mahay mihaino ve anefa ny fitondrana? Ho hitan’ny vahoaka Malagasy amin’ity herinandro ity ny mety ho valin’izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT