Politique

Zaza Ramandimbiarison “Fanapahan-kevitra mahery vaika no andrasana amin’ny Filoha”


  • Talata 03 Mey 2022

Tonga ity ny fetin’ny asa, hoy ny praiminisitra lefitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Tsy mba mandray karama isam-bolana ny any Ambanivohitra rehetra any, hoy izy.

Inona no mety ho azon’ ireo Malagasy maro an’isa rahampitso? Nambaran’ny filoham-pirenena ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ary tsy ho ela ny an’ny tsy miankina. Raha toa ka maka fanampahan-kevitra mahery vaika ho an'ny tombontsoa ankapobeny no ho raisin’ny filoham-pirenena dia ho fankasitrahana lehibe no mety ho azony sy hametraka fanantenana indray ho an’ny malagasy rehetra. Ohatra, ny fanapahan-kevitra fanemorana ny fanantanterahana ny fotodrafitr’asa izay tsy mbola laharam-pahamehana ankehitriny dia hanampy ny fiatrehana ny maika sy ny mankarary ny Malagasy. Ohatra hafa koa ny fanapahan-kevitra fampihenana ny tombotsoa be loatra eo anivon’ny manam-pahefana ara-politika sy ara-panjakana raha ampitahaina amin’ny fahantran’ny malagasy no jerena. Ny fanavaozana ny fandaniana mifandraika amin'izany ohatra ny famerana ireo iraka na “mission” eto an-toerana sy ny makany ivelany, ny fanenana ny tambin-karama na “indemnité” mikasika ny lasantsy sy ny fifandraisan-davitra “Credit Telephone” sy ny tambin-karama hafa na “autre indemnité”. Ny vola azo avy amin’izany dia azo ampiasaina mba hanamora ny vidin'entana ilain’ireo tokantrano an-tapitrisany maro mahantra any ambanivohitra. Tsy mba mandray karama isam-bolana! Ireo karazana fepetra ireo dia ho mety fanampahan-kevitra mifandraika amin’ny ezaka ataon'i Madagasikara amin'ny fitantanana ara-toekarena tsara kokoa sy indrindra manamafy fa tena raiamandren’ny malagasy rehetra marina ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina, hoy hatrany ity mpanao politika sady praiminisitra teo aloha ity.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT