Politique

Zaza Ramandimbiarison “5% monja ny vola voasoratra mankany amin’ny faritra ”


  • Talata 19 Aprily 2022

Ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, “ny andron’ny Paska” dia fisehoan-javatra “tsy manam-paharoa” izay manome dikany izay rehetra niseho tany aloha sy ireo zavatra hiseho manaraka, ,

hoy ny minisitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Manome ny fanantenana ho antsika zanaky ny olombelona mino, manokatra ho amin’ny fahasambarana tanteraka, ho amin’ny fahazoana antoka fa azo resena tanteraka ny ratsy, indrindra fa fitondrana tia kely izay misy eto amin’ny firenena izany, hoy izy. Noho ny fomba fitantanana tsy manaram-penitra, tsy mahomby dia tsy miantefa any amin’ ny malagasy maro an’isa ny asan’ny fanjakana. Mivangongo eo amin’ ny fanjakana foibe daholo ny fahefana sy ny fampiasana ny volam-panjakana. 95%n’ny vola voasoratra ao amin’ny tetibolam-panjakana dia ny fanjakana foibe no mitantana azy izay mibaiko ny filohan’ny firenena noho ny rafitra izay misy ary 5 % monja no mankany amin’ny faritra sy kaominina. Azo resena tanteraka izany toe-javatra izany. Izany fivangogoam-pahefana izany dia miteraka zavatra tsy mety toy ny fitiavan-tena, tsy fanajana ny zon’ny tsirairay, manome vahana fiarahamonina tsy mandala ny fahamarinana, fitantanana manome tombontsoa manokana tsy ara-drariny, miangatra ary manavakavaka ho an'olona vitsivitsy. Tsy alohalika intsony ny ranombary fa miakatra an-tendan-kely sy tonga mandifotra ny loha ka miteraka fahantrana lalina sy fifamonoana , fandatsahan-dra ny samy Malagasy. Raha tsy misy fiaraha-mientana hanova , mba hahazoan’ny tsirairay ny anjara masoandrony ao anatin’ny fifanomezan-kasina , ny fifampihainoana ary ny fifampitokisana dia hiverina hatrany ny disadisa sy ny fahasosorana lava eto amin’ny firenena noho ny fitiavan-tena be loatran’ny olona vitsy izay mahazo fahefana sy noho ny elanelana be loatra amin’ny samy malagasy na eo amin’ny fidiram-bola na eo amin’ny maha olona sy ny hafa rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT