Ny mpanao gazety mampita sy mitatitra ny vaovaom-panjakana indray no mahazo tsiny, kanefa ny fitondram-panjakana no misavoritaka tanteraka ny zavatra ambany.
Hafa no lazain’ny Filoha, ary hafa ny zavatra ambaran’ny tompon’andraikitra sasany. Ny Filoham-pirenena izao no nilaza tany Toamasina, fa miara-miasa amin’ny mpikaroka toy ny any Etazonia izay manao andrana tsindrona avy amin’ny Artemisia, ka manaraka an’izay “protocole” izay isika amin’ny andrana tsindrona hatao. Mbola notaterina tamin’ny fampitam-baovao an-tsoratra avy amin’ny Fiaidian’ny Repoblika io, fa CVO amin’ny endriny tsindrona no hanaovana andrana. Tsy izay mihitsy no nambara omaly, fa kambam-panafody hafa mihitsy io. Fifandrifian-javatra ny tsy fitovian’ny zavatra nambara sa nisy zavatra nafenina saingy nivoaka ihany? Tsy nolazaina fa andrana tsindrona atao amina firenena maro io satria raha ilay fanazavana omaly dia hoe efa nahazo alalana any ivelany ihany koa. Mazava izany fa tsy mirindra ny seraseram-panjakana, tsy mirindra ny asa, hany ka misavoritaka ny saim-bahoaka. Tsy vao izao io fa efa hatrany aloha, ka indraindray aza lasa manapoizina ny Malagasy. Nolazaina fa tsy mafy noho ny pesta sy kôlera, tsy mafy noho ny krizy 2002,… avy eo fatra-panome tsiny ny vahoaka. Mila mandinika lalina izay zavatra ambarany ny fanjakana mba tsy hifanipaka hatrany ny zavatra hambara, kanefa tsy hanaiky ho diso fa hitady hanilihana sy hilaza hatrany fa misy mamingana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.