Politique

Zava-misy any atsimo Tompon’antoka Rajoelina


  • Alatsinainy 12 Novambra 2012

Mihororoho sy mangorovitsika indray ny sasany rehefa haheno izao vaovao eto amin’ny Kianjan’ny Magro izao, hoy ny feo heno tetsy Behoririka tamin’ny sabotsy teo.

 Anisan’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta nanatrika ny dinika niarahana tamin’ny Vondrona Eoropeanina teny Mahazoarivo Rtoa Ihanta Randriamandrato, minisitry ny fiompiana. Raha nanao tatitra momba io fifampiresahana io teny amin’ny kianjan’ny Finoana izy tamin’ny sabotsy  dia nanambara fa lohahevitra telo no noresahana tao ka ao anatin’izany ny momba ny fametrahana ny fitoniana ara-politika eto amin’ny firenena, ny fampiharana ny sori-dalana, ny momba ny fifidianana ary eo koa ny vola hanatanterahana izany fifidianana izany.

Naneho mivantana ny ahiahiany ny Vondrona Eoropeanina, araka ny fanazavana, satria eo ny trafika isan-karazany, ny tsy fandriampahalemana ary ny tsy firindran’ny fomba fiasa eo amin’ny fiadidianan’ny tetezamita sy ny governemanta. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny fiompiana dia nanambara ny Vondrona Eoropeanina fa raha tsy mahita ny hanatanterahana ny andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana ny fitondrana dia ny SADC no hanatanteraka izany satria tsy maintsy tanterahina ny sori-dalana. Araka ny fanazavana ihany dia tsy maintsy hatao ny fifidianana saingy mila ny CENIT ho tsy mitanila satria fifidianana demokratika ka ny vahoaka no hifidy izay hitondra azy.

Ankoatra izay, momba ny FED andiany faha-10 famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Eoropeanina dia mbola misy ambiny izany saingy tsy maharesy lahatra ireo mpamatsy vola ireo tetikasa. Voalaza moa fa mety homena firenena Afrikanina hafa toa an’i Mali io ambim-bola, 600 tapitrisa euros, io raha... Ankoatra izay, araka ny tatitra ihany dia tsy hivoaka intsony ny vola avy amin’ireo mpamatsy vola raha tsy aorian’ny fisian’ny fifidianana demokratika. Anisan’ireo voakiana mafy tamin’io dinika io, raha ny tatitra ihany, ny minisitry ny serasera, eo koa ny filazan’ny Vondrona Eoropeanina ny amin’ny tokony hanajanonana ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ataon’ny mpitondra ankehitriny.

Fa nasian’ny Me Hanitra Razafimanantsoa resaka kosa ny momba ny zava-misy any Atsimo ka nilazany fa vonomoka sy heloka atao amin’ny zanak’olombelona no any satria olona an-jatony maro no namoy ny ainy. Nambarany ihany koa fa tsy mifanandrify amin’ny zava-misy any ny fitaovam-piadiana ampiasaina. “I Andry Rajoelina no nanatitra an’i Lylison tany ary izy no milaza fa filoha faratampon’ny foloalindahy. Izy izany no nitsodrano ary tompon’antoka amin’io heloka bevava io”, hoy i Me Hanitra Razafimanantsoa.

Soa 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT