Politique

Zava-misy ankehitriny « Fanodinana saim-bahoaka avokoa. »


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Fanodinana saim-bahoaka na « diversion » avokoa ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny, raha ny fahitan’ny mpanao politika, Dany Rakotoson, azy.

 

 

 

Raha tsiahivina ny tarehimarika nomen’ny banky iraisam-pirenena momba ny harin-karena na PIB eto Madagasikara dia tsy nivoatra mihitsy ny fiainam-pirenentsika nanomboka tany amin’ny 1991 tany ka hatramin’izao. Ny an’ny olona izao, raha raisintsika fotsiny, ohatra, i Kaomoro, hoy izy, raha 1500 dolara ny azy tamin’izany dia efa mba tonga 3000 dolara ankehitriny. Ny antsika tsy nihetsika teo amin’ny 1000 dolara teo. Raha ny zava-misy amin’izao fotoana anefa, hoy hatrany ny fanazavany, dia tsy hananan’ny mpitondra fotoana mihitsy hahafahany miheritreritra izay hahafahana mampitombo ny harin-karena eto izay. Rehefa tsy mazava ny politikan’ny mpitondra, hoy izy, dia ho tratry ny hoditr’akondro eo foana izy. Tsotra anefa ny tetika ahafahana mampandroso dia ny fitantanana mangarahara sy tsy mitanila na « tolérance zéro » ary ny famaritana ny tanjona tiana hahatongavana, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT