Mitohy ny fanatanterahana ireo tetikasa samihafa nampantenain` ny Filoha Rajoelina na dia ao anatin` izao fahamehana ara-pahasalamana izao. Isan` izany ny fanamboarana ny “building’
miisa 83 etsy Ivato raha ny nambaran` ny ministra lefitra misahana ny tetikasan` ny filoham-pirenena sy ny trano fonenana, Zasy Angelo, nandritra ny fihaonany tamin` ny depiote omaly. Ny any amin` ny faritra ihany koa dia mitohy hatrany ny asa fanamboarana ireo fotodrafitrasa toa any amin` ny distrika Ambovombe Androy, Ambatondrazaka. Efa andalam-pahavitàna ny kianja manara-penitra, tsena, barazy araka ny tatitra ny minisitra. Voaresaka ihany koa ny tetikasa Tanà-Masoandro. Mbola miato ny tetikasa ary mbola miandry ny valin`ny fanadihadiana mifandraika amin`ny sosialy sy ny tontolo iainana, hoy hatrany ny minisitra Zasy Angelo
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.