Fiarakodia 20, elikoptera lehibe 1 ary fitaovana sy kojakoja maro samihafa no ho azon'ny zandarimariam-pirenena malagasy, ary fantatra fa avy any Frantsa ireo fitaovana ireo.
Izay no voan-dalana taorian'ny dian'ny filohan'ny tetezamita tany ivelany. Ampiasaina amin'ny fitandroana ny fandriampahalemana, indrindra fa ny fanenjehana dahalo moa ireto fitaovana ireto. Ny Frantsay aloha izany no tena manampy ara-pitaovana sy ara-paikady ny foloalindahy malagasy amin'ny ankapobeny. Na mbola voasazy sy tsy mahazo fanampiana goavana avy any ivelany aza ny fitondrana tetezamita dia mivarotra fitaovam-piadiana sy fitaovana ara-miaramila aminy ihany, i Frantsa.
Nifanotona indrindra tamin'ny nanendrena ny jeneraly Richard Ravalomanana ho kaomandin'ny ZP izao fahazoana fitaovana izao, ary fampanantenana nataon'i Andry Rajoelina tamin'izy nametraka ireo andian-tafika manokana tany Betroka , iray volana lasa izay. Midika izany fa tokony hivoatra sy ho matotra kokoa ny fomba fiasan'ny zandary, indrindra fa any amin'ireo faritra mena amin'ny tsy filaminana ka mba tena hisy marina ny hetsika mivaingana amin'ny famongorana ny asan-jiolahy. Miandry zavatra goavana amin'ny zandary momba ny fisamborana an-dRemenabila sy fametrahana ny fandriampahalemana any atsimo ny olona, satria dia efa namoaka vava ny jeneraly Richard Ravalomanana, nanao hoe : "vitako io raha omena ahy". Azo izao ny toerana, ho avy koa ny fitaovana, koa ho hita eo ny tena marina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.