Zanaky ny faritra

> Ilaina ny fifandanjam-paritra eo amin’ny fanendrena olom-panjakana


  • Sabotsy 15 Martsa 2014


Na dia tsy mbola tanteraka aza ny fanendren’ny filoha Rajaonarimampianina Hery ny praiminisitra lehiben’ny governemanta dia efa mizotra tsikelikely kosa ireo fanendreny ireo tompon’andraiki-panjakana ambony. Anisan’izany ireo ekipa mandrafitra ny Fiadidiana ny Repoblika toy ny Sekretera jeneraly sy ny Talen’ny kabinetrany. Teo ihany koa ny fanendreny ireo mpitsara telo mianadahy mpikambana ao amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Mbola maro rahateo ireo olom-panjakana isan-tsokajiny tsy maintsy hotendrena ka manintona ny sain’ny filoham-pirenena ireo solontenan’ny zanaky ny faritra mba hojerena akaiky ny fifandanjana isam-paritra izay fanoitra iray lehibe amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana eto amin’ny firenena. Manantena moa ireto solontenan’ny vahoaka any amin’ny faritra ireto, hoy i Fidison, mpandrindra ny fikambanana Ever Green fa horaisin’ny filoham-pirenena tokoa ny hafatra tian’izy ireo hampitaina. Ireo olom-pirenena tany amin’ny faritra izay nanome fahatokisana feno an’ny kandidan’ny Hery Vaovaon’i Madagasikara tamin’ny fifidianana filoham-pirenena notontosaina farany teo, hoy ny fanampim-panazavana nomen’izy ireo.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT