Politique

Zanak’I Toamasina “Tokony hijery avara-pianarana hampandroso ity firenena ity”


  • Alakamisy 01 Aprily 2021

Nahatonga fanehoana fiaraha-miory tamin’ny fahalasanan’ny filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka,

 

 

 

 ihany koa ny avy eo anivon’ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’ny Toamasina. Araka ny fanazavana dia tamin’ny andron’ity filoham-pirenena teo aloha ity no nivoahan’ny filohan’ny fikambanana ankehitriny ho mpanamory fiaramanidina. Nanana ny rehareha nananan’ny filoha Ratsiraka fony izy filoham-pirenena ny zanak’I Toamasina. Somary nikorosofahana ny tontolo politika teto Madagasikara rehefa nandeha ny tantarantsika, hoy hatrany ny hafatra. Be dia be ny olona tsy niomana hanao politika fa tongatonga ho azy, tsy nanana ny ideolojiany ny ankamaroany. Manantena izahay zaza navela, hoy ny solontenan’izy ireo, fa mbola hitondra avo dia avo ny voninahitr’I Toamasina ary indrindra ny voninahitr’I Madagasikara dia ny fialan’ny firenena anatin’izao fahantrana tanteraka izao. Tsy tokony hanavakavaka fihaviana, foko, indrindra, tokony hijery ny avara-pianarana rehetra afaka hampandroso ity firenena ity isika, hoy hatrany ny hafatra.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT