Politique

Zanak’Atsimo Atsinanana “Misy manao ampihimamba ny harena any aminay”


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2021

Tontosa ny sabotsy teo teny Antanimora ny fandraisam-pahefan’ny filohan’ny fikambanan’ny faritra Atsimo Atsinanana na Zanaray, Boto Voavonjy Richard Albert, izay iraisan’I Vangahindrano,

 Midongy, Befotaky, Farangana sy ny maro hafa. Ny taona 1960 no efa niorina ity fikambanana ity mba hahafahan’ireo zanak’ireo faritra ireo mifanampy miatrika ny olana ara-tsosialy sy ekonomika eto amin’ny firenena, hoy ity filoha ity. Manan-karena ny faritra misy anay. Raha tsy hiresaka afa-tsy Vangaindrano, ohatra, dia maro ireo harena an-dranomasina na “ressources halieutiques” na ny voly fanondrazana. Misy anefa ireo manao ampihimamba ny harena any aminay. Izay no iantsoanay ny fitondram-panjakana mba hitodika hijery iny faritra iny. Misy jirofo ao, misy lavanilina. Miantso ireo zanaka am-pielezana hatrany an-dafin’ny riaka ihany koa mba hijery ny tanana misy antsika, hoy hatrany ny antso avon’izy ireo. Ankoatran’izay moa dia nisy ny fanangonana tolo-tanana hanampiana ireo fianakaviana 800 tafo mahery izay traboina vokatry ny doro-tanety nitranga farany teo tao Farafangana nandritra ity lanonana ny fifamindram-pahefan’ny zanak’Atsimo atsinanana ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT