Politique

Zanak’i Dada «Vonona hifampitana rehefa tsy hifanaja»


  • Sabotsy 17 Novambra 2012

"Aleo hifampitana eto amin’izay fa ela nandeferana loatra amin'ity jadona sy enjikenjika lava ity ny vahoaka, indrindra ny ataon'ireto mpiaro ny sezan'i Andry Rajoelina ireto", hoy ireo mpitolona mitaky ny ara-dalŕna ao amin’ny Magro Antsirabe sy ireo mpitarika ao an-toerana.

 Niteraka resabe eo anivon'ny fiarahamonina, tokoa mantsy indrindra ireo mpanara-baovao politika ao Antsirabe, ny valin-kafatra nentin’ny ankolafy Ravalomanana ho an'ireo mpitandro ny filaminana, izay tondroin'izy ireo ho manalabaraka. Tsy ara-dalàna, hoy izy ireo ny fanononana ny anaran'ny filoha teo aloha sy ny mpitarika ankehitriny ho tompomarika amin’ny tsy fahombiazan’ny mpitandro filaminana toy ireny. Amin’ireo Zanak’i Dada dia tena fahasahiana tanteraka ireny fihetsika ireny. Raha ny hevitry ny maro tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana aza moa, dia efa ela no tokony ho nanoherana mafy sy mivantana tahaka ireny saingy tsy mbola tara kosa rehefa misy fahasahiana ka mila tohizana hatrany izany.

Raha tsorina dia nankasitraka iny valin-kafatra iny sy ny hitondrana ny raharaha eny amin'ny fitsarana ny mpomba ny ara-dalàna ao Vakinankaratra. "Ho hita eo, raha sanatria hisy ny mizana tsindrian'ila, ka rehefa namanan'ny FAT dia havela fa ny milaza ny marina rehetra dia gadraina, hoy  izy ireo ". Efa fotoana lavalava ihany moa no nitadiavan'ireto mpomba ny filoha Marc Ravalomanana ireto izay "hifampitana" izay, ka dia izao nanehoan'izy ireo niaraka tamin'ny mpitari-tolona eto, ny heviny izay. Anio  sabotsy moa dia hangotraka tanteraka indray ny hetsika ao amin’ny Magro Avaratsena ka inoana fa hifantoka amin’iny reska iny indray ny lahateny samihafa ao, ka dia andrasana izay mety ho tohin'ity hafanam-pon'ny mpitolona miandry ny "action" sy ny hiverenan'ny filoha Marc Ravalomanana ary ny hivahan'ny krizy ity eto Madagasikara ity.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT