Ho avy, tsy ho avy… toa zary lasa fandrirarina sy filalaovana an’i Madagasikara sy ny Malagasy no betsaka amin’ny famahana ny krizy tarihin’ny vondrona SADC.
Efa-taona no lasa saingy tsy misy mangirana hatreto ary dia namoa-tsampona avokoa ny ankamaroan’ireo iraka nalefany taty Madagasikara. Dia manontany tena ny rehetra raha toa ka tena mahay miasa sy mahafehy ny asany tokoa ireo eo anivon’ny Troika-SADC manoloana izao raharaha eto Madagasikara izao. Raha efa naloan’ny ankamaroan’ireo mpisehatra politika Malagasy ohatra ingahy Simao, izay niaiky ny hadisoany ampahibemaso dia gaga ny rehetra raha nandre fa dia hiverina hitondra ny asa fanelanelanana eto indray ity teratany mozambikanina ity. Efa teny an-tsisiny no nametrahana an’ny Dr Simao tany Botswana, hoy ny CST Henri Randrianjatovo. Na inona na inona fiovana mety nisy teo aminy dia ny Frantsay foana ny ao an-damosiny ka tsy azo ekena, hoy ity farany. “Tsy mila an’i Simao izahay”, hoy hatrany ity Depioten’i Faratsiho teo aloha ity fa “efa niaraha-nahita ny zavatra nataony”.
Tetsy andanin’izany dia nampita ny hafatra avy amin’ny filoha Ravalomanana ny tenany dia ny fanomanana ny fifidianana. Nanentana ireo mpiara-dia aminy i Henri Randrianjatovo mba samy hiomana amin’izany fifidianana izany na ho amin’ny volana mey amin’ny taona ho avy na oviana. Nohamafisin’i Zafilahy Stanislas izay fanentanana hiatrehana ny fifidianana izay. “Atsangano ny ekipa isam-pokontany hanara-maso ny fizotry ny raharaha, mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana”, hoy izy. Raha raikitra volana mey 2013 ihany io fifidianana io, dia ny volana desambra no tokony ho tonga eto an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana. Tsy voasakan’iza na iza izy, hoy izy. Porofon’izany i Andry Rajoelina tsy mahatombina fa miezaka manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ary dia efa hitan’ny rehetra, na eto an-toerana na ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.