Herintaona izao no nivoizana ny fiaraha-mitantana, ka nidiran’ny ankolafy Ravalomanana anaty tetezamita. Parlemantera miisa 87, miampy minisitra 5 teo am-piandohana.
Minisitra efatra sisa izahay no avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ao, hoy Ramalason Olga tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny sabotsy 01 desambra, fa «misy ny henjankenjana, mafy lamosina». Sakanana izahay tsy ho etsy an-kianja, fa “Tsia” no asetrinay izany. Teny no nipoiranay ary eny no iafaranay, hoy ihany izy. Ao ny miteny hoe ajanony ny Magro fa io no mampitarazoka ny krizy. “Tsia : mitolona am-pilaminana izahay”, hoy hatrany izy nanohy ny fanazavany. Tetsy ankilany dia nanao rodobe nirohotra teny an-kianja ny ankamaroan’ireo Parlemantera Zanak’i Dada io sabotsy io, nijoro vavolombelona fa tsy mbola tanteraka ny tondrozotra, indrindra ny andininy faha-16, 17, 20 ka mamparary azy ireo izany. Mandrapahatanteraka izany dia mitohy ny tolona ary mihamafy. Hetsika fanamafisana firaisankina rahateo no natao io sabotsy io.
Nisy ny fotoana fahanginana ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy any Atsimo tamin’io andro io. Nanamarika ny fotoana ihany koa ny fiverenan’i Thierra Bruno, an-kianja rehefa volana maromaro tsy tazana.
Nangonin’i Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.