Hafakely ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny Magro ny sabotsy 27 oktobra teo.
Ankoatra ireo kabary politika sy fifanentanana isan-karazany manko dia nisy ny adihevitra na famaliana ireo fanontanian’ireo mpitolona teny an-toerana nandritry ny ora iray. Lohahevitra roa no tena nobanjinina tamin’izany dia ny momba ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny resaka fifidianana. Anisan’ny nitondrana fanazavana teny an-kianja ny momba ny andininy faha-20 sy faha-45-n’ny sori-dalana. Ny tany fivorian’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana eo anivon’ny SADC tany Sandton (Afrika atsimo) sy Luanda (Angola) no namaritra ny andininy faha-20 dia ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa.
Ilay andininy faha-45 kosa dia naoty fanampiny fotsiny ihany. Noho izany, hoy izy dia ilay andininy faha-20 no ambony kokoa. Ankoatra izay momba ny CENIT dia nohazavainy fa tsy mbola tafapetraka tsara araka ny tokony ho izy ny CENIT any amin’ny faritra sy Distrika ary Kaominina. Ho an’ny eny amin’ny Distrika, araka ny fanazavana dia ny solontena avy amin’ny fiarahamonim-pirenena no mbola tafapetraka fa ireo avy amin’ireo mpisehatra politika kosa dia tadiavin’ireo mpomba ny fitondrana giazana. Olona 3 anefa dia iray avy amin’ny mpanohitra, iray mpomba ary ny iray tsy mitanila no tokony hotendrena. Araka izany dia tsy nety ny fifanarahana satria nisy nanao amboletra. Mbola ady mavesatra hatrehin’ny ankolafy Ravalomanana, araka ny fanazavana ny fametrahana ireo solontenany ao amin’ny CENIT any amin’ny Faritra, Distrika sy Kaominina.
Nifanentana moa ny ankolafy Ravalomanana mba samy hanara-maso ny fanisana ny mpifidy izay efa mandeha amin’izao fotoana izao, eo koa ny hirosoan’ireo mpandala ny ara-dalàna amin’izay fanisam-bahoaka izay. Ankoatra izay dia nambaran-dRakotoamboa Jean Louis fa tsy maintsy enjehina izay mandroba ny harem-pirenena ka fantatra fa hametraka vaomiera manokana ny CST handinika io fitrandrahana tsy ara-dalàna ny andramena io sy ny vonomoka atao ny olona any Atsimo. Ny alakamisy 8 novambra ho avy izao moa ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny CST ka angatahin’ireo parlemantera ny handefasana izany mivantana amin’ireo haino aman-jerim-pirenena.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.