Politique

Zanak’i Dada Fitoniana vao fifidianana


  • Zoma 26 Oktobra 2012

Samy miomana ho amin’ny fifidianana ny rehetra. Ny zava-misy anefa dia tsy mbola vory ny fepetra rehetra hanaovana sy hiatrehana azy io noho ny tsy fisiana fitoniana eto amin’ny tany sy ny firenena.

 Araka ny vaovao nampitain’i Zafilahy Stanislas tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly dia sahiran-tsaina ny eo anivon’ny zandarimaria taorian’ny fametrahana mpitantana vaovao. Izay tsy mitovy hevitra amin’ireo mpitantana, araka ny nambarany, dia tratry ny antsojay sy ny ramatahora. Ankoatra izay dia nambaran’ity mpikambana eo anivon’ny kongresy ity fa vita sonia tokoa ny fandaharan’asa tantsoroka hanatanterahana ny fifidianana amin’ny taona ho avy. Mihevitra anefa ny sasany, hoy izy fa rehefa vita ny sonia dia hisy vola avy hatrany. Misy dingana maro arahina vao hivoaka izy io. Kely ny famatsiana avy amin’ny fanjakana, mba hisorohana hoe ny fanjakana no hanomana ka hanana ny teny farany amin’izany fifidianana izany.

Ao anatin’ny fepetra goavana takian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, araka ny fanazavana ny hisian’ny fitoniana. Mipetraka àry ny fanontaniana ny amin’ireo mponina any Betroka, ny eto an-drenivohitra kanefa vao mandingana dia basy no miandry. Tsy misy antenaina raha izay hisian’ny filaminana, hoy i Zafilahy Stanislas izay nanamarika fa tokony hampiharina manomboka amin’ny andininy voalohany ka hatramin’ny faha-45 ny sori-dalana ho antok’izay fahatoniana izay. Nambarany ihany koa fa ho tanteraka io 8 mey 2013 io raha hisy ny famatsiam-bola. Raha 60 tapitrisa dolara ny vola ilaina, ny 40 tapitrisa dolara tsy mbola azo.

Ary dia tsy ho azo io vola io, hoy ihany i Zafilahy Stanislas raha tsy misy ny fitoniana ka ao anatin’izany ny fodian’i Marc Ravalomanana. Araka izany dia mbola lavitry ny afo ny kitay fa dia iaraha-mahita eo ny ho tohiny. Fantatra moa fa ny sabotsy ho avy izao dia ny ankolafy Ravalomanana iray manontolo no manomana ny hetsika eny amin’ny Magro. Tsy ho toy ny isan’andro no hitranga eny rahampitso fa hisy ampaham-potoana ho an’ny adihevitra eo amin’ireo vahoaka sy ireo mpitarika ny tolona dia ny momba ny fiverenan’ny filoha  Marc Ravalomanana sy ny hiatrehana ny fifidianana.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT