Politique

Zanak’i Dada Efa manisa andro


  • Alakamisy 27 Septambra 2012

Tsy hanomboka ny fampihavanam-pirenena raha tsy tonga eto i Marc Ravalomanana, hoy ny solontenan’ny ankolafy Zafy Albert nandray fitenenana tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka, omaly.

 Ny ankolafy Zafy izay manomana hetsika fifampidinihana eo amin’ny samy Malagasy etsy Andrefan’Ambohijanahary, anio sy rahampitso. Olona efatra arivo no andrasana amin’izany ka io dinika io no hisantarana ny fampihavanana sy handinihana izay hivoahana amin’izao krizy izao. Ambony ny môraly, hoy izy ireo fa tsy misy adihevitra intsony ny fiverenan-dRavalomanana ary tsy maintsy tafavoaka ny tolona. Hatreto, tsy mbola misy izany fiaraha-mitantana izany ary dia famotsoran-keloka voasivana no ampiharina. Araka ny vaovao nampitain’i Manoela Ralaimampisainarinony, mpitarika ny fikambanana Tiako Marc Ravalomanana na ny TMR izay niandraakitra ny fotoana omaly, dia nisy hafatra nampitain’i Dada.

“Ilazao ny olona fa izaho tsy maintsy mody ary tsy maintsy hilatsaka”, hoy i Marc Ravalomanana araka ny hafany ho an’ireo mpomba azy. Araka izany, hoy Rakotomanjato Rodin dia “andro sisa isaina”. Raha ny fantatra dia hivory ny Troika-Sadc ny 6 sy 7 oktobra ho avy izao, ny 8 oktobra kosa no tokony hodian’i Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana raha arahina ny voasoratry ny lalam-pifidianana hoe mipetraka enim-bolana eto an-tanindrazana.

 
Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT