Eo am-piandrasana ny fanendrena izay ho praiminisitra dia manao ranolava ny fanambarana fanohanana kandida amin’izay toerana izay.
Omaly, ohatra, dia samy naneho hevitra ny zanak’i Fianarantsoa sy ny avy any Alaotra Mangoro, manohana an’i Dr Jules Etienne, izay natolotry ny PMP na vovonan’ny maro an’isa manohana ny filoham-pirenena amin’izay toerana izay. Nilaza Atoa Rajady Arison Jean Jacques mpitondra tenin’ny zanak’Alaotra Mangoro fa “mankahery ny filoha mba tsy hisalasala na voateritery hanonona ny anaran’izay ho praiminisitra afaka hiaraka hiasa aminy”. Nambarany fa olona mifankahazo amin’ny filoham-pirenena i Dr Jules Etienne ary itokisana. Manamafy izany koa ny avy any Fianarantsoa izay mankasitraka ny PMP nanolotra an’i Dokotera Jules Etienne mba ho praiminisitra satria “izy no efa hita fa afaka hiaraka hiasa amin’ny filoha ary efa natolotry ny solombavambahoaka avy eny Tsimbazaza”, hoy Rabemanantsoa Pierrot mpitondra teny, ity farany izay nanamafy fa anisan’ny angady nananana sy vy nahitana ny filoha vaovao ka nametraka azy tamin’ny toerany i Dr Jules Etienne.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.