Politique

Zakariasy Patrick Tratry ny angaredona


  • Alatsinainy 15 Oktobra 2012

Angaredona ! Izay no setrin’ny ampamoaka niraradraraka momba ny resaka “bois de rose” nataon’i Zakariasy Patrick ny zoma 12 oktobra teo, tetsy Antaninarenina.

 Nitondra antontan-taratasy maromaro ity Tangalamena ity tamin’izany, naseho ny mpanao gazety, nentiny namakiana bantsilana ny afera maizina momba io raharaha io. Nisy olona voatonona tao anatin’izany, ary koa Orinasa vitsivitsy ka anisan’izany ny Mainland Mining Compagny, Sodiatrans, MICTSL ary ny MOL Mitsui OSK Lines Ltd. Niray feo anefa ireto farany ary nanao valin-kafatra milaza fa dia sady fanalam-baraka no fanosoram-potaka ranofotsiny ny fanambarana nataon’ity Tangalamena avy any Brickaville ity.

Milaza ny tsy hipetra-potsiny manoloana izany ireto orinasa efatra ireto fa hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana, satria tsy vitan’ny manohintohina ny fandraharahana tsy miankina no koa mety hiteraka fahavoazana amin’ireo orinasa ireo. Nisy ny fanambarana iraisana nataon’ny Mainland Mining Compagny, Sodiatrans, MICTSL ary ny MOL Mitsui OSK Lines Ltd mampahatsiahy fa dia efa nitondra fanazavana mikasika io raharaha io miaraka amin’ny porofo rehetra teo aminy ny foibem-pitondrana ankapoben’ny fadintseranana, fa tsy araka ny filazana sy ny antontan-taratasy nasehon’i Zakariasy Patrick, izay mampiahiahy ireto orinasa ireto ny fisiany sy ny fahamarinany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT