Mahagaga ny zava-misy eto amin’ny fitsarana eto ankehitriny, hoy ny Me Olala omaly alatsinainy antoandro raha voaantso ho eny amin’ny Borigadin’ny zandarimaria eny Betongolo indray ny Tangalamena Zakariasy Patrick, olona arovany.
Ny antontan-taratasy fitoriana azy sy ny fitananana an-tsoratry ny fanadihadiana azy anefa efa tonga niaraka taminy tao Anosy avokoa. Ohatra ny fanaovana tsinontsinona an’ilay komandin’ny borigadin’ny zandary eny Betongolo izao, hoy ity mpisolovava ity. Raha dosie efa aty amin’ny Fampanoavana mila fanapahan-kevity ny mpitsara no mbola haverina any Betongolo indray dia mahavariana, hoy ny Me Olala.
Raha nanontaniana ny avy eny Betongolo dia nilaza fa efa lasa any amin’ny fitsarana ny dosie ka tokony hiandry ao ilay olona hiandry izany fanapahan-kevitra izany. Asa inona indray no hiseho any Betongolo rehefa hoentina any ireo olona ireo. Nasainy niaraka amin’Atoa Zakariasy Patrick koa ireo mpanao gazety 4 mirahalahy voarohirohy ho mpiray tsikombakomba ho nanely vaovao tsy marina, ka nitoriana mpandraharaha azy ireo. Samy nalefa nody avokoa ireo mpanao gazety, fa ny Tangalamena Zakariasy Patrick no notazonina eny amin’ny “vilon” eny Betongolo. Tantara mitohy...
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.