Zafinandro Perle

> Ny MAPAR no hampiongana an’i Hery Rajaonarimampianina


  • Zoma 14 Febroary 2014

Nanome ny heviny mahakasika ny raharaha politika ny mpitarika ny “Hetsika Fagnomba”, Zafinandro Perle. Tao amin’ny trano fonenany ao Ampasamasay Tolagnaro no nanatontosana ny valandresaka ny herinandro teo iny.

 

Nandritra izany no nilazany fa mbola vonona hiady hatramin’ny farany ho amin’ny fanavotana ny faritra Anôsy ny tenany sy ny “Hetsika Fagnomba” tarihiny , raha mbola misy ihany ny fanitsakitsahana ny zon’ny malagasy zanak’ Anôsy. Tsy hoekena ihany koa ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-paritra harem-pirenena. Mbola hitohy ny tolona. Izy moa dia anisan’ireo tsy mankato ny vokatry ny fifidianana ho solombavambahoka tany Anosy farany teo. Manoloana ny adisaritaka sy ny adivarotra amin’ny toeran’ny praiminisitra dia nazava ny nambaran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hoy Rtoa Zafinandro Perle fa hivelatra amin’izay vonona hifanome tanana amin’ny fitondrana tarihiny ho fanarenam-pirenena ny tenany. Antenaina fa hotazonin’ity filoha vaovao ity io teniny io, hoy hatrany i Zafinandro Perle. Na izany aza dia mampanahy an’ity filohan’ny “Hetsika Fagnomba” ity ny tsindry aloka isan’andro vaky izao ataon’ny MAPAR, izay sady te hahazo ny toeran’ny praiministra no handrombaka ihany koa ny toeran’ireo filohan’ny andrim-panjakana. Mbola voaporofo izany amin’ny adivarotra ny amin’ny tsy maintsy hanomezan’ny filohan’ny Repoblika minisitera maro ny MAPAR. Tsy fampandrosoana fa ady seza no mahadodona ny ekipan’ny tetezamita, hoy i Zafinandro Perle ka raha tsy mailo ny filoham-pirenena dia ny MAPAR ihany no hampiongana azy eo amin’ny fitondrana.

 

 Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT