Politique

Zafilahy Stanislas “Ravalomanana tsy maintsy kandida”


  • Talata 13 Novambra 2012

Fanomanana ny fifidianana sy fijerena izay lesoka tsy hiverenan’ny fanonganam-panjakana, ireo raha ny tokony ho izy no andraikitry ny tetezamita.

 Tsy izany anefa no miseho eto amintsika. Araka ny fanazavan’ny mpikambana eo anivon’ny Kongresy, Randriamamiarizafy Ignace dia mitady hangataka fanalavam-potoana 2 taona izay tetezamitatra izao. Nasiany resaka ny momba ny fitantanana ny vola eto amintsika ka ao anatin’izany ny famarotana ny Air Force II. Teny an-kianja tamin’ny fotoan’androny, hoy ity CT ity dia nambaran’i Andry Rajoelina fa mahazo vary 120 tapitrisa kilao ny vidin’io fiaramanidina io, 60 tapitrisa dolara. Telo taona taty aoriana dia namidy an-tsokosoko 23 tapitrisa dolara ilay fiaramanidina.

Mipetraka ny fanontaniana, hoy ity zanak’i Moramanga. “Vary firy kilao, ampy firy andro, firy volana sa firy taona ho an’ny Malagasy tsirairay io vidiny io ? Mba nisy sora-bola ve ny famarotana ny Force One II ? Iza no hividy azy fa toa alefa mangingina ? Maninona no amidy fatiantoka ?”. Ireo no fanontaniana mila valiny, hoy ny CT Randriamamiarizafy Ignace. Ankoatra izay dia nipetraka ihany koa ny momba ny teti-bola nokasaina nanaovana fifidianana hatramin’izay hoe lasa aiza avokoa ? Momba izay resaka tetibola izay indrindra dia nisy ny fivoriambe nataon’ireo CT, CST, minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana omaly tolakandro tetsy Bel’Air. Araka ny nambaran’i Zafilahy Stanislas, filoha lefitry ny Kongresy dia nampitomboina ny teti-bolan’ireo ministera sy departemanta tantanan’ireo akaman’ny mpitondra, ny an’ireo ministera iandraiketan’ny andaniny kosa dia zara raha misy vola. “Manao rapadango ny volam-panjakana, hanaovana propagandy mialoha ny fotoana ireo”, hoy i Zafilahy Stanislas.

Ankoatra izay dia nasiany resaka ny momba ny Tangalamena Zakariasy izay tazomin’ny zandary hanaovana fanadihadiana omaly. Olona manana ny maha-izy azy ny Tangalamena, hoy izy. Porofon’izany dia nitambatra ny Tangalamena rehetra, ka tsy hamela moramora io raharaha io. Nanamarika Zafilahy Stanislas fa mahafantatra tsara ary manana porofo momba ny raharaha boaderozy ny Tangalamena Zakariasy. Tetsy andanin’izany momba ny resaka fifidianana indray dia zavatra roa no mety hiseho, hoy i Zafilahy. Na voatazona io datin’ny 8 mey ka izay andro hahatongavan’i Marc Ravalomanana eto dia afaka milatsaka foana io, na hohasarotina ny raharaha ka tsy maintsy fenoina ny enim-bolana dia ny datim-pifidianana izany no hihemotra fa Marc Ravalomanana, hoy izy tsy maintsy kandida.

Soa 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT