Zafilahy Stanislas

> Faly amin’ny ataon’ny MAPAR


  • Zoma 21 Febroary 2014

Mitohy hatrany ny hetsika ao amin’ny Magro Behoririka mitaky ny hamela malalaka ny filoha Marc Ravalomanana hiverina an-tanindrazana, ny hamoahana ireo gadra politika mbola any am-ponja ary koa ny hamohana ireo haino aman-jery nakaton’ny fitondrana tetezamita.

Omaly dia niompana be tamin’ny nandrombahan’ny vondrona politika MAPAR ireo toeran’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sy ny fampisehoana hery hataon’ny ankolafy Ravalomanana rahampitso sabotsy eny amin’ny Magro Tanjombato ny fanehoan-kevitra tao an-kianjan’ny Finoana. Milaza ny MAPAR, hoy i Donazy, fa fandresen’ny vahoaka ny fahazoany toerana. “Tsia, fandresen’ny vola”, hoy ity mpikambana taloha tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy any Vangaindrano ity. Tetsy an-kilany kosa i Zafilahy Stanislas dia tsy nanafina ny hafaliany raha nataon’ny MAPAR telimoka avokoa ny toerana ao amin’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena satria “amin’izay tsy misy hanilihany ny rihatra intsony ary misy hisainan’i Hery Rajaonarimampianina koa izao ka mahatsara zavatra satria manafaingana ny fandresena”, hoy izy. I Sazalahy Tsianihy kosa no nanipika mazava fa “efa nidirana am-ponja ity tolona ity ka rehefa tafaverina an-tanindrazana angamba i Dada vao tsy hitsikera intsony izahay nefa raha mbola misy ny tsy rariny dia hiteny izahay”. Hifamotoana eny amin’ny Magro Tanjombato ny ankolafy Ravalomanana rahampitso, hamondrona hery sy hifampiarahaba noho ny taona vaovao ; fotoana ihany koa io hanehoana ampahibemaso ireo solombavambahoaka voafidy tamin’ny lisitra ankolafy Ravalomanana sy ny mpiaradia aminy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT