Yvette Sylla

> «Tsy mitsoaka ady izahay»


  • Sabotsy 15 Febroary 2014

Manohitra ny didy navoakan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana tamin’ny 06 febroary, mandidy ny hamerenana ny fifidianana solombavambahoaka any Sainte Marie Rtoa Yvette Sylla, filoha nasionalin’ny MAMAN na «MAdagasikara MANdroso» sady kandida depiote tany amin’ity Distrika ity.

Naneho ampahibemaso ireo porofon’ny antony fandavany ny tenany nandritra ny fandaharana «L’invité du zoma» tao amin’ny fahitalavitra TV Plus ny alin’ny 14 febroary, ka nilazany fa sady niharan’ny tsy rariny no niharan’ny tsy fahamarinana izy sy ny mpifidy azy. Efa namaritra daty moa ny CENI-T fa haverina amin’ny 30 mey 2014 ny fifidianana any Sainte Marie sy any amin’ny Distrika telo hafa, dia Ambanja, Belo amoroan’i Tsiribihina ary Marovoay. Tsy mbola naneho mazava ny tena heviny ny kandida Yvette Sylla na handray anjara na tsia. Milaza ny mbola hidina any Sainte-Marie haka ny hevitry ny mpikambana MAMAN sy ireo vahoaka nifidy azy izy. Na izany aza dia nilaza ny tenany fa tsy mitsoaka ady ary matoky tena. Misy amin’ireo kandida nifaninana taminy rahateo milaza ny tsy handray anjara intsony fa hanohana azy, araka ny filazany. Marihina fa nitarika tany an-toerana ity minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha tao anatin’ny tetezamita ity raha ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI-T, saingy nataon’ny CES ho toy ny tsy nisy izany.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT