Raha vao miresaka vatsy tsinjo, tosika fameno, vola noho ny antony fitsimbinana ara-pamokarana sy ny hafa rehetra dia tafiditra ao anatin’ny atao hoe FSS na “filet sociaux de sécurité” izay,
hoy ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny mponina, Yan Wilfried Ramananirina. Miresaka ny fifanarahantsika tamin’ny banky iraisam-pirenena natao sonia ny septambra 2015 koa isika rehefa miresaka an’izay, hoy izy. Napetraka tsara tao anatin’io ny fisian’ny atao hoe “réponse au choc”. Isany ny Vatsy tsinjo sy tosika fameno. Tsy maintsy omena fanampiana aloha ny olona niharana dona ahafahany miahy ny ainy mandra-piverenany amin’ny fiainana andavanandro. Tsy Andry Rajoelina no nanao ny sonia an’io fa ny fitondrana teo aloha. Misy io vola io alefan’ny banky iraisam-pirenena (BM) ho ampiasain’ny prezidansy. Tsy mivantana any amin’ny prezidansy io araka ny fifanarahana lasitra nataon’ny BM sy ny firenena Malagasy ny taona 1990. Mila mipetraka ao anatin’io ny atao hoe “tripartite” izay ahitana ny BM izay mpamatsy vola sy mpanohana ara-tekinika, ny fitondrana Malagasy ary ireo mpiantsehatra na “professionnel”. Ireo mpiantsehatra no ekena hampiasa ny vola. Izay no antony nifidianan’ny BM sy ny fitondrana ny FID na “Fonds d’intervention pour le développement”. Ny FID araka izany no mpanatanteraka ny FSS. Manome toromarika fotsiny ny filoham-pirenena hoe ary no ilana ilay tosika fameno na ilay vatsy tsinjo. Mpandrindra sy mpanara-maso no asan’ny minisiteran’ny mponina amin’ny resaka FSS. Maha menatra ilay fanehoan-kevitra miharo fanivaivana hoe tsy mahay na inona na inona ny minisiteran’ny mponina. Izay no mahatonga ahy miteny ny depiote Fidele Razara Pierre hoe ianao mahay na inona na inona, mba antsoy ao amin’ny radionao aho hanazava an’izany satria ianao miteny fa mihinana vola 33 tapitrisa dolara izahay ary tsy mazava ny volan’ny “Ascenseur”. Alohan’ny hiteniteny foana mba manontania ihany fa ny olona rehefa miantso anao akory tsy midika hoe matahotra anao fa mba ialana anao amin’io fitenitenenam-poananao isan’andro io, hoy hatrany ny tenany nanamafy fa mbola miantso fifanatrahana amin’ny depiote Fidele Razara Pierre.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.