Rantsana iray eo anivon’ny antoko MFM tarihin’i Manandafy Rakotonirina ary ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana ny MFM Analamanga. Manana ny ambarany sy ny fahitany ny fivoaran’ny toedraharaha, indrindra tato anatin’ny herinandro ny MFM Analamanga, soloan’i William Randriamahaleo tena, tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana.
Tia Tanindrazana (T.T) : Fahitanareo ireny raharaha BANI, izay lasa resabe ireny ?
Randriamahaleo William (R.W) :
Zavatra ngezabe nampisy fandrosoana amin’ny tolona ireny. Dingana ho amin’ny fahombiazana. Ny fanaratsiana entin’ny FAT manko hoe mpanongam-panjakana ireo manamboninahitra. Raha jerena anefa dia olona tsy nitam-piadiana, tsy naka fahefana tamin- kery izy ireo fa nivory tao Ivato, hilaza ny heviny hoe nisy fifanarahana natao dia mila ampiharina izany. Hatramin’izay mantsy dia hoe ny Ankolafy Telo ao amin’ny Magro ihany sy ireo mpitondra fivavahana no nitaky ny fampiharana izay nifanarahana. Eto anefa dia hita fa nisy sokajin’olona hafa mihitsy ary tsy olonolom-poana fa manamboninahitra. Ny tafika dia ilaina hiantoka ny fampiharana ireny fifanarahana efa vita ireny. Izy ireo no tena atao hoe : foloalindahy Malagasy nahitana ny ankolafy rehetra. Azo ambara koa hoe tandroka aron’ny vozona. Raha nampitahaina tamin’ireo nisambotra azy dia izy ireo no tena foloalindahy fa tsy iretsy milisi-na sivily mpanao politika. Misy tokoa ny foloalindahy mankato ny fifanarahana politikan’ny sivily ary izy ireo no ho endriky ny tafika Malagasy aoriana.
Porofo ireny fa efa tena tsy mety amin’ny mpiray firenena ny tapenam-bava. Entin-korohoro ny mpanongam-panjakana ka izay mihetsika rehetra dia hoe mpanongam-panjakana daholo. Raha hanongam-panjakana dia nandrangaranga tetikasa politika fa ny an-dry zareo teny amin’ny BANI. Ny fahitanay azy dia teti-dromotra ny an’ny FAT, tahotra sisa. Tsy manana tanjona ara-politika intsony ireo fa ny azy dia ny hoe ahoana ny hijanonana ela eo amin’ny fitondrana. Izay tetikasa politika rehetra nataony dia nitsefotra avokoa.
T.T: Inona izany izao no hataonareo ?
R.W: Tokony hidrikina ny vahoaka mba ho afaka hiteny. Tamin’ny voalohany anie dia ny haino aman-jery no nopotehin’izy ireo voalohany e ! Teo ny TVM sy RNM ary ny MBS. Ary amin’izao dia mitatao amin’ny hafa koa ny loza. Hampahafantatra ny zava-misy marina any ambanivohitra rehetra any izahay. Ny any izay tsy mahalala afa tsy Ravalomanana ny ankamaroany.
T.T: Inona no tanjonareo manaraka ?
R.W: Ny tanjona goavana indrindra dia ny hampody an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana ato anatin’ny fotoana haingana. Izy no andrandrain’ny vahoaka, Antananarivo, ny any amin’ny faritra, ny ankamaroan’ny Malagasy hanavotra an’i Madagasikara. Ny fahatongavan-dRavalomanana eto dia hampahery ny vahoaka. Izay no ilain’ny olona. Izao dia izao izay fiverenany eto an-tanindrazana izay hanova zavatra. Izy no hitondra ny filaminana. Tenieran’ny 95%n’ny vahoaka io. Ny fifanekena dia hoe miverina ny filoha Ravalomanana, vonona hiaro azy ny vahoaka.
TT: Ahoana no haha to izany amin’izao zava-misy izao ?
RW: Avadiko ny fanontaniana hoe inona no andraikitry ny mpanao politika manoloana izany ? Andraikitry ny mpanao politika ny mandamina sy ny mikarakara izany fahatongavan-dRavalomanana. Atao izay hahatongavany eto ary dia raisina avokoa ny fepetra rehetra.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.