VPM-MMM

> “Tena hery politika matanjaka”, hoy i Benja Urbain


  • Alatsinainy 03 Martsa 2014

Tsy misy vondrona politika afaka mirehareha hahavita hampandeha samirery ny Antenimieram-pirenena raha tsy miara-miasa amin’ny rehetra na dia ny MAPAR nahazo ny toerana rehetra eo anivon’ny birao maharitra aza, hoy ny depiote voafidy tany Manakara, Andriantsizehena Benja Urbain, omaly raha namoaka ny tombana mikasika ny fijeriny ny fifandanjan-kery politika misy eto amin’ny firenena ankehitriny ny tenany.

Mitana ny laharana fahatelo ny vondrona politika Malagasy Miara-Miainga (VPM-MMM), hoy ity Sekretera jeneralin’ny antoko RPSD ity, ka tsy azo atao tsinontsinona ny fisiany fa manana depiote 14 izahay eo anivon’ity andrim-panjakana ity. Mbola manaporofo ny tanjaka ara-politika anananay ihany koa, hoy izy, ny ny nahazoan’ny kandidà Andrianainarivelo Hajo ny toerana fahatelo teo amin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Tokony ho hita taratra ao anatin’ny fandrafetana ny governemanta hajoro eo, hoy i Andriantsizehena Benja Urbain io fifandanjan-kery politika io. Tokony mba ho fantarina izay hery politika nomen’ny vahoaka lanjany tamin’ireny fifidianana ireny fa tsy izao milomay misisika rehetra izao dia hampidirina anaty seha-pitantanana avokoa. Manana fototra ny vondrona politika matanjaka tahaka ny VPM-MMM, hoy ny depiote Benja Urbain, fa tsy maka ho azy tahaka ireo tsy miankina niantehatra tamin’ny kisendrasendra ka na hivondrona etsy sy eroa aza dia tsy hanana vinam-piarahamonina iombonana izany mihitsy.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT